VAOMIERAN'NY FAMPIANARANA SY FANABEAZANA ETO MADAGASCAR — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

VAOMIERAN'NY FAMPIANARANA SY FANABEAZANA ETO MADAGASCAR

TENY FANEVA ENTINA MANDRITRY NY TAOM-PIANARANA 2013-2014
“Mitory ny vaovao mahafaly amin'ny fampianarana sy ny fanabeazana, ny ankizy sy ny kolontsainy. Entanim-pinoana mampirindra , manatsara ny fifandraisana ao amin'ny fanabeazana, hampijoro ny maha-olona manontolo ho tompon'andraikitra”

ASA SASANTSASANY TAMIN’NY FOTOAM-PIALANTSASATRA
Fiofanana fianarana teny frantsay tao Ambatolampy, izay nampanaovin’I Soeurs Irène sy Marie Luc, 13 aogositra hatramin’ny 5 septambra 2013, izay nangatahin’I Soeur Marianne Provinsialy.
Ny teny frantsay no teny enti-mampianatra eto Madagasikara. Tsapa fa hatramin’ny taona 1985 dia nihena dia nihena tokoa ny fahafehezan’ny mpampianatra sy ny mpianatra ny teny frantsay. Noho izany dia tsy maintsy manao fikarokarohana amin’izany lafiny izany izahay. Tamin’ity dia nisy 10 ny maser vao nivoaka ny “noviciat”, 4 ny novisy taona faharoa, ary 4 ireo masera vita voady ara-pe-potoana; Ny tanjona manokan’ity fiofanana ity dia ny mba hitiavana’ny masera ny fianarana ny teny frantsay sy ny mba hanamafisana ny fahalalana fototra ara-pitsipika sy ara pitenenana.
Namaranana ny fiofanana dia nanao tantara tsangana vitsivitsy izahay ampiharana izay vao nianarana omban-kalokalo.