Akon'ny Jobily Volamenan'ny Kolejy Masimbavy Chantal-Soanierana — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Akon'ny Jobily Volamenan'ny Kolejy Masimbavy Chantal-Soanierana

Ahoana indray ny fahatsapan'i Mendrika ny fizotry ny Fety ?
Mitovy amin'izay efa voalaza teo aloha ihany fa saingy ny tiany nasongadina indrindra dia izao : “Nampiombona ny olon-drehetra tao anatin'ny hafaliana sy ny tsikitsiky ny Fety. Nanampy anay hiaina sy hanamafy ilay lohahevitra hoe : “FIANAKAVIANA MIHAVAO HATRANY”.

 Ahoana no tsy hisaotra an’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra tamin’iny telo andron’ny Fety iny ?
Nahatsapa hasambarana tsy hay lazaina isika noho ny Fahasoavan’Andriamanitra fa rehefa nomena fotoana ireto Mpianatra haneho ny talentany dia nahatalanjona sy nampigaga antsika fa tena nanolo-tena sy nanatanteraka tamin’ny fony tokoa izy ireo.
Nampiombona ny sokajin’olona rehetra ity Fety ity ka tao daholo ny Mpanabe, ny Masera, ny Mpanabe teo aloha, Mpianatra teo aloha, ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ary ny Mpianatra.
Nasehontsika rehetra fa rehefa mifanome tanana isika dia afaka mahazo vokatra tsara tahaka ireny ary mankahery antsika hiaina ny 50 taona ho avy am-pitoniana.

6.jpg