60 taona nahatongavana taty Madagasikara ! — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

60 taona nahatongavana taty Madagasikara !

Niala an'i Frantsa ny taona 1961 hanatontosa ny asam-pitoriana any Madagasikara i masera Françoise Marie Rey
Nampianatra nadritra ny 11 taona izy avy eo niandraikitra ny masera tanora malagasy nandritra ny 17 taona. Hatramin'ny taona 1989 dia mikarakara ireo ankizy ao amin'ny trano fitaizana zaza kamboty Faratsiho izy.
Nahatratra ny faha-80 taonany izy, nankalaza izany tsingerin-taona izany ireo ankizy kamboty.

Masera Françoise Marie malala,
Miala tsiny aho mandray fitenenana amin’ny anaran’ny ankizy kamboty sy ireo mpiandraikitra mpanampy. Voalohany indrindra dia isaorana Andriamanitra noho izao tsingerin-taona nahaterahanao izao : 80 taona ! tena zavatra hafa kely ho anay izany, noho izany mirary anao ho lava andro iainana izahay, hanana fahasalamana sy asam-panirahana tsara. Ny fitiavana sy ny fihetsikao, indrindra ny fahatsoranao mankahery anay. Misaotra betsaka masera Françoise Marie amin’ny maha-izy anao ho anay tsirairay avy. Misaotra betsaka masera. Hanamarihanay ny hafalianay dia indro misy fanomezana kely. Tsy zavatra lehibe fa ny fonay no mameno azy. Mahatsiaro anao sy ny fianakavianao am-bavaka izahay. Misaotra inarivo masera Françoise Marie.

Vavaka :
Ankalazaina anie andriamanitra !
Ankalazaina anie andriamanitra noho ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany.
Noho ny fahaterahany.
Ankalazaina anie andriamanitra noho ny fahazazany
Noho ny fahatanorany
Noho ny fihetsiny feno fahatsorana eo amin’ny fiainana
Noho ny fitiavan-dreny ao aminy ho anay
Noho ny fiainany asam-panirahana sy ny fiezahany miaina araka any zava-misy
Noho ireo vondron’olona, ny fianakaviany izay tia anay!

Ireo ankizy kambotin’i Faratsiho. - MADAGASIKARA

 

francoise marie.jpg