Madagasikara
Ouverture du jubilé des 50 ans de la Congrégation des Sœurs du Christ à Madagascar
mpiara-miombon’antoka ary mpino niara-nankalaza ny Lamesa manetriketrika
nanokafana ny Jobilin’ny faha-50 taonan'ny Fikambanan’ny maseran'i Kristy.
Ity fankalazana ity dia niaina tao anatin'ny fanahin'ny fiombonana sy ny fankasitrahana
noho ny dingana nolalovana nandritra ny 50 taona lasa teo amin'ny fanompoana ny Fiangonana.
Voalamina tsara ny fihatahana am-panahy nataon’ny relijiozy lahy sy vavy
Tamin'ny sabotsy 06 desambra 2025 lasa teo, nivory nanao fihatahana ara-panahy nandritry ny andro ireo relijiozy lahy sy vavy avy amin’ny faritra afovoan’ny diosezin’Ihosy tao Ampandratokana, tao amin-dry masera Clarisa.
FANKALAZANA NY 27 DESAMBRA 2025 HO AN'IREO ANKOHONAM-PIAINANA ROA AO AMIN'NY DIOSEZIN'I IHOSY
Niaina fotoam-pifaliana lehibe ny Fikambanantsika tamin'ny fankalazana ny fetin'ny 27 desambra, ny tsingerin-taona faha 49.
Fiofanana mitohy FARITANIN'I MADAGASIKARA
"Mandray anjara amin'ny iraka ampanaovin'i Kristy", no ampahany fahatelo amin'ny fitarihana ao amin'ny Sapitra Ankapobeny faha-9 2022.
"Toen-tsain'ny fiombonana sy fankasitrahana noho ny lalana nodiavina"
Ny sorona masina fanokafana ny jobily, ankohonam-piainana Fanantenana, ankohonam-piainan’ireo mpianatra, dia nankalazaina tao amin'ny paroasy Notre dame de Suffrage, Soanierana, teo anatrehan'ny mpiara-miombona antoka, sy ireo mpino.
