"Toen-tsain'ny fiombonana sy fankasitrahana noho ny lalana nodiavina" — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

"Toen-tsain'ny fiombonana sy fankasitrahana noho ny lalana nodiavina"

Ity jobily faha-50 taonan'ny Fikambanan'ny Maseran’ Kristy ity.

Ny sorona masina fanokafana ny jobily, ankohonam-piainana Fanantenana, ankohonam-piainan’ireo mpianatra, dia nankalazaina tao amin'ny paroasy Notre dame de Suffrage, Soanierana, teo anatrehan'ny mpiara-miombona antoka, sy ireo mpino.

Tamin'ny 6 Aogositra 2025 no nanokafana ity jobily faha-50 taonan'ny Fikambanan'ny Maseran’ Kristy ity.

Nanomboka ny fankalazana tamin'ny alalan'ny sakramentan'ny fivalozana ny ankohonam-piainana Fanantenana Soanierana Antananarivo tamin'ny Asabotsy 2 Aogositra. Ny fankalazana dia nialohavan'ny triduum tao amin'ny ankohonam-piainana. Ny sorona masina fanokafana dia nankalazaina tao amin'ny paroasy Notre Dame de Suffrage, Soanierana, teo anatrehan'ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpino. Mompera Ndrina, pretran’ny  paroasy, no nitarika ny sorona masina.

Nandritra ny telo andro talohan'izany, ny ankohonam-piainana tsirairay tao Soanierana, Mb Chantal ary Fanantenana dia nikarakara ny fotoam-bavaka sy fisaorana. Tamin'ny 6 Aogositra dia nivory izy rehetra mba hankalaza ny sorona masina tao amin'ny paroasy.

 

Ny fankalazana dia narahin'ny sakafo am-pirahalahiana,

«  …tao anatin'ny toe-tsaina fiombonana sy fankasitrahana noho ny lalana nolalovana nandritra ny 50 taona tamin'ny fanompoana ny Fiangonana. »