ATAO AHOANA NO HAHATONGAVANA LAHIKA MPIARA-DIA — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

ATAO AHOANA NO HAHATONGAVANA LAHIKA MPIARA-DIA

FIHAONANA ‘’LAHIKA SY NY SŒURS DU CHRIST ‘’

Ao anatin’ny fahasamihafan’ny fiantsoana azy tsirairay avy, ny mpiara-miasa sy ny rahavavin’i Kristy dia mifampanan-karena amin’ny fanalefahana sy ny fiainana ny asa soa.

Amin’ny fakana fotoana :

hifampakalalana
fahalalana ny toe-tsain’ny Fikambanana

amin’ny fandraisana anjara amin’ny fivorian’ny tarika

izay ifampizarana ny fiainana sy ny finoana
izay iforonan’ny toe-tsaina iombonana
o ao no handalinina ny fanomezam-pahasoavana

Amin’ny fisafidianana hiditra ao amin’ny fianakaviam-ben’ny Sœurs du Christ ho Lahika mpiara-dia - mandritra ny fe-potoana raikitra sy azo havaozina

FIJOROANA VAVOLOMBELONA

"Ny fandraisako anjara amin’ny mpikambana lahika Assocés amin’ny   Sœurs du Christ  dia voalohany amin’ny maha mpinamana izay nahalalako andry masera: Jacqueline, Jeanine, Geneviève ; mpinamana marina, feno fahatsorana, feno firahalahina, malala-tànana.

Nandritra ny fotoana lava aho dia ondry very, very noho ny sedra, ny fahafatesana…ary namela ny tenako hizatra tamin’izany aho ...Tonga nitady ahy ny Tompo, tao anatin’ny haizina ambanin’ny tany, toy ny fahazavana kely mirehitra ...Izao fihaonan’ny Sœurs du Christ-lahika Associés izao dia fotoana manan-danja sy hahafahana mihaona amin’ny olona rehetra hatraiza hatraiza, miaina am-pirahalahiana, miaina ny Tenin’Andriamanitra,  manohy ny làlantsika mba hampisy bebe  kokoa ny firahalahiana."                              

Colette, lahika

« Tonga aty Ars aho noho ny lohavevitry ny Famindram-po mihoatra noho curé d’Ars, na dia tiako aza izy noho ny fahatsorany.Ho ahy dia tahaka an’i Moizy sy Isaaka rehefa sahirana hiteny amin’olona , avelako miasa ny Fanahy Masina, mamela ahy handeha ho eo an-tanan’Andriamanitra aho. Tiako ihany koa ny fisokafan’i curé d’Ars sy ny fiahiany tsy hanavakavaka, mihaino ny tsirairay, mpanota kely sy hiringiriny. Nanaitra ahy ihany koa ny fifanandrinana niainany « Fiangonana mahantra ho an’ny mahatra »  sy ny ady nataony hanatsarana ny fiangonany satria « Tsy misy ny tena tsara ho an’ny Tompo ».
Izao fihaonana izao dia fotoana hanontaniana tena ny amin’izay ataontsika hita maso sy hampanentana indray ny vondrona misy antsika"


Pierre, diakra,

"Nahita olona aho mifantoka amin’ny fiainana, mirotsaka sy tsy tia sehoseho. Mandala ny fiombonana ny tsirairay noho ny firotsahany amin’ny maha-krisitianina azy miaina ny sori-dàlam-piainan’ny Sœurs du Christ ; manampy azy hiaina ny fiainana maha misiônera azy izay ho an’ny fanompoana an’i Jesoa-Kristy sy hampahalala azy. ..
Tena sambatra aho amin’izao faran’ny herinandro izao.

… Miantso Andriamanitra … raha mamaly, omeny antsika izay rehetra ilaintsika. .. Faran’ny herinandro toy izao maneho ny maha-zava-dehibe ny fahambonian’ny olona : Tonga nofo Andriamanitra, afaka mifampizara am-pirahalahiana izahay."    

Masera Denise

Noho ny fanasan’ny  associée iray dia tonga namonjy ny fihaonana voalohany aho izay azo lazaina fa famatoran’Andriamanitra ahy. Nahatsapa aho fa toy ireny efa teo hatramin’izay. Tena traikefa feno harena, zavatra tsy nampoizina ary famakafakana betsaka ny Tenin’Andriamanitra. Avy eo nanomboka nandray anjara mavitrika amin’ny fihaonana isam-bolana aho mandritra izany no  izaran’ny tsirairay ny fiainany izay mampiorina fiombonam-panahy. Voalalina amin’izany ny fanomezam-pahasoavana.  Mianatra miaina ny fiombonana amin’ny fiaianantsika manontolo, amin’ny zava-boaary, amin’ny rahalahahy sy anabavy ary mitarika ahy hiray aina bebe kokoa amin’i Kristy. Taorian’ny taona maro afaka milaza aho fa ao amin’Andriamanitra ny heriko izay Tompoko sy Ivom-piainako.

Ana Rojas F. lahika (Chili)

Hatramin’ny taona 2000, nidiranay amin’ny vondron’ny Associés aux Sœurs du Christ dia nanampy anay hiaina tsaratsara kokoa ny fiainan’ny mpivady, fianakaviana ary ny fiaraha-monina ny fanomezam-pahasoavan’ny maha iray.  Mahatsapa fanohanana  mba hiaina misimisy kokoa io toe-panahy io izahay any amin’ny toeram-piasana – mpampianatra ao amin’ny sekoly La Providence Ambatolampy  izahay ary ao amin’ny Fiangonana izay andraisanay anjara ao amin’ny filàn-kevitra pastoraly. Ao amin’ny faritra misy anay, tsy misalasala ireo mpiara-monina ny mangataka anay rehefa misy tsy fifankahazoana na ady.
Noho ny fanomezam-pahasoavana, mianatra ny manome toerana ny hafa izahay, ho vonona mandrakariva sy mizara ny fomba fijerinay sy izay iainanay, ao amin’ny adihevitra sy fifampizarana samihafa miaraka amin’ny mpiara-miasa.Hatramin’ny Fihaonambe Nasiônalin’ny Associés aux Sœurs du Christ tamin’ny 2014 tany Antsirabe, ny mpikambana rehetra dia manao jery todika  ny andro lasa miaraka amin’ny fianakaviana..

Associés laika