CAMEROUN : Mamerina amin’ny laoniny ny hôpitalin’ny Ngovayang sy ireo trano isan-karazany. — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

CAMEROUN : Mamerina amin’ny laoniny ny hôpitalin’ny Ngovayang sy ireo trano isan-karazany.

Trano isan-karazan’ny hôpitalin’ny Ngovoyang

Ny fisokafana ofisialy dia vinavinaina amin’ny volana Septembra 2022 fa betsaka ny fanarenana mba hahafahana hampiasa io toerana io indray.

Mgr Damase ATANGANA, evekan’i KRIBI Atsimon’i Cameroun, nanao antso maika tamin’ny Fikambanantsika izy mba hiandraikitra ny hôpitalin’ny Diosezy any  ambanivohitry   NGOVAYANG, anivon’ny ala mikitroka  faritra Atsimon’i Cameroun. 95 km avaratra atsinanan’i Kribi renivohitry ny Diosezy. Faritra mihidy onenana foko 3 ka anisan’izany ny  PYGMEES anaty ala.

Ireo mponin’ny Pygmée ireo dia voailika amin’ny endrim- pandrosoana rehetra  (làlana, fampianarana,fitsaboana, fitoriana ny vaovao Mahafaly,sns..). Ny misionera Espanola no nanorina io hôpitaly anaty ala io. Noho ny tsy fahampianan’ny mpikambana hanohy ny asa dia nialany io toerana io

Eo daholo ny fototrafitr’asa : trano maro fampandehanana ny hôpitaly, trano ho an-dry masera ary trano hafa ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana saingy  efa tena ratsy ka mila fanavaozana.

 

 

Simba ny fototrafitr’asa, ny fitaovana efa antitra, ny fitaovana ilaina amin’ny fandidiana, ny fanaovana fitiliana, sns… matetika tsy mandeha, ny trano fitehirizam-panafody efa mila ho foana.

 

 

Ny fanokafana ôfisialy io toerana io sy ny fametrahana ny kôminôte dia heverina ho amin’ny volana  septembra 2022. Betsaka ny asa hatao ilàna  famatsiam-bola.

  tarehimarika voalohany sandam-bola  Francs CFA

 

tarehimarika faharoa sandam-bola  EUROS

 

C Latabatra fandidiana   3 850 000 5869,29
C Fitehirizana rivotra famelomana aina 1 800 000   2744,08
C Fitaoovam-pandidiana 1 200 000 1829,39
C Fitaovana ilaina amin'ny fitarafana sy fitiliana : fitarafana, Fitaovana anaovana radiô 40 kw, 150 kv, 500 mA, tube DRGEM(DXT-12M) 20 000 000  30489,8
C Fitaovana ilaina amin'ny fitiliana otrikaretina 950 000 1448,27
C Fandriana hôpitaly sy kidoro 3 000 000  4573,47
C Fitondrana marary  260 000 396,37
C Fanafody ilaina fototra 3 000 000 4573,47

                     Totaly : 51 924,14 euros

Misaotra amin’ny fanohananareo.