Ny harem-panahy — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Ny harem-panahy

fomba manokana anarahan-dia an’i Jesoa Kristy…
Tahaka ny fanomezam-pahasoavanay, ny fiainam-panahinay dia mipoitra avy amin’ny tantaram-pivondronanay.

Ianaranay hiainana manokana amin’ny, alalan’ny fibanjinana maharitra an’i Kristy sy ny Evanjely, ny hevitry ny famelan-keloka , ny fampihavanana, ary ny fitiavana.

Fantatray sy ankalazainay Jesoa Kristy eo anivon’izao tontolo izao.

Hatramin’ny taon-jato faha-17 ary mandrak’ankehitriny dia mbola manazava ny dianay ny Ray am-panahy :

Ignace de Loyola : Mahafantatra marina kokoa an’i Kristy mba ho tia Azy fatratra ary hanara-dia azy amin-kerim-po tokoa.

François de Sales : manatanteraka na mandray ny zavatra rehetra am-pitiavana.

Vincent de Paul : mampifanaraka ny eritreritray, ny asanay ary ny fikasanay amin’ny an’i Jesoa Kristy.

Jean Eudes : Avondrona ao amin’i Kristy ny zava-drehetra ho an’ny voninahitry ny Ray.