Nifarana ny fankalazana ny faha 40 taonan’ny lisea Pierre Chanel — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Nifarana ny fankalazana ny faha 40 taonan’ny lisea Pierre Chanel

Nifarana ny fankalazana ny faha 40 taonan’ny lisea Pierre Chanel

Ny andro voalohany, nisy ny diabe namakivaky ny tanana niarahan’ny mpanabe sy ny mpianatra. Fifaninana ara-panatanjahan-tena kosa ny tolakandro.

Nandritra ny efatra andro ny hetsika namaranana ny faha 40 taona niorenan’ny lisea Md Pierre Chanel. « Fonenana ho an’ny rehetra, loharano velona », io no lohahevitry ny fankalazana. Ny alakamisy 23 ka hatramin’ny alahady 26 avrily 2026 no nanatanterahana izany. Ny andro voalohany, nisy ny diabe namakivaky ny tanana niarahan’ny mpanabe sy ny mpianatra.  Fifaninana ara-panatanjahan-tena kosa ny tolakandro.

Ny zoma 24 avrily ny lamesa notarihin’i mompera Randrianirina Jean Noël, vikera jeneraly eto amin’ny diosezy Ihosy. Nanotrona azy i mompera Randriatsimialonarivo Jeannot, talen’ny fampianarana katolika, ary ny pretra mpiara-miasa rehetra. Nandritra ny fampianarana no nanasongadinan’i mompera Jean Noël ny tanjona sy ny antom-pisian’ny sekoly katolika.

Manabe ny olona manontolo, mampita fahalalana mba hisian’ny fahendrena. Nanentana ny mpianatra izy mba handray ny fanabeazana, izay antoky ny ho avy manontolo. Mankahery ny mpanabe hoy izy, mba hilofo amin’ny fampitana fahendrena sy fahalalana. Notokanana taorianan’ny sorona masina ny sarivongan’i Md Pierre Chanel sy ny sehatra mitafo, ho tsangambaton’ny faha 40 taona. Nandritra izay 40 taona izay dia tsy nitsahatra ny nanatsara ny fanabeazana ny sekoly. Nanabe ny ankizy sy ny tanora ho hendry sy hatahotra an’Andriamanitra. Maro ny mpianatra nivoaka tato amin’ny sekoly no miaina sy mizara ny soatoavina any amin’ny sehatra rehetra any. Io no nisongadina tamin’ny teny nataon’ny talen’ny sekoly ankehitriny, Frera Ralaiarison Beloved Julien. Nisaotra ny fikambanana sy ny tale nifandimby, ary ny mpiaramiombon’antoka rehetra ihany koa izy. Naneho fisaorana ny Frera sy ny mpiara-miasa rehetra mampandeha ny sekoly ny Frera provinsialin’ny Marista, Tiamaro Alphonse. Misaotra hoy izy amin’ny fanohanana sy ny fitiavana ary ny fahavononana hifanome tanana amin’ny fanabeazana.

Nitohy ny sabotsy sy alahady ny fety. Tamin’ny alalan’ny fampisehoana niarahana tamin’ny mpanakanto Rakiky. Nifanotrona tamin’izany ny ankohonam-panabeazana rehetra. Araka izany dia feno hipoka ny kianja. Ny alahady kosa dia ny kilalao nataon’ny mpianatra no nandravaka ny fotoana rehetra. Vonona hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpianatra ny sekoly amin’izao 40 taona manaraka izao. Miara-mientana amin’ny fanatanterahana izany ny herivelona rehetra eo anivon’ny sekoly.

Nordine