Laretirety fanao isan-taona
Sœurs du Christ - Union Mysterium Christi
Ao anatin’ny fankalazana ny Jobily Volamena faha-50 taona ny Fiombonana, ny vondrona fahaefatra ny masera Soeur de Christ, Provinsia Malagasy día niaina ny fiatahana masina tao Ambatolamby ny 24 Jolay hatramin’ny voalohan’ny volana Aogostra 2026.

Nisy 49 ny masera no niaina izany fiatahana masina izany, nanampy azy ireo ireo pretra 3 associés día i P. Jean Marie, P. Jacket, ary i P. Roger, Diosezy Antsirabe. P Nicolas, Zezoita no nitarika azy ireo tami’izany. Nanampy ireo mpandray anjara tamin’ ity fiatahana masina ity izy tamin’ny alan’ny lahateny, fotoam-bavaka, fandinihina masina, fitsahona ny Sakramenta masina, Eokaristia Masina ary ny fifampizarana.
Masera Marianne, filan-kevitra jeneraly ary masera Olga misionera any Cameroun día nandray anjara ihany koa tamin’ity fihatahana masina ity. Ny fandraisan’izy ireo anjara día fanamarihana ny fiombonana ara-pirahavaviana ary fifanohana ny Fikambanana manontolo. Nandritra ny 8 andro io, ireo mpandray anjara día nanokana ny fotoanany hihainoana ny tenin’Andriamanitra, hanavaozany ny fiainam-panahiny ary nanamafisany indray ny fanomezantenany amin’ny fanarahana an’i Kristy. Ity fiatahana Masina ity ihany koa día namela ny tsirairay indray hanovozana hery, nanamafisana ny Finoany ary nandraisana ny fanomezam-pahasoavana vaovao hanohizana ny asam-panirahina tandrify azy.
Ato anatin’ny andro vitsy ny Hankalazana ny Jobily, izay ho tanterahina ny 09 agostra 2026, ity Fihatahana Masina ity día dingana lehibe manandanja ho fiomanana ho an’ny rehetra, ary indrindra ho an’ireo masera izay hankalaza ny Jobily faha 25 taona sy faha 60 taona maha relijiozy azy. Ireo mpandray anjara día miainga amin’ny fo vaovao sy feno fanantenana ary hafaliana, vonona ny hanohy indray ny iraka manandrify azy amin’ny asam-panompoana an’Andriamanitra ary ny rahalahy sy anabaviny.
ITY TAON-JOBILY ITY ANIE HO LOHARANOM-PAHASOAVANA, FAHARETANA ARY HERY VAOVAO ENTI-MIATRIKA NY ASAM-PITORIANA MISIONERA HO AN’NY FIKAMBANANA MANONTOLON’I SŒURS DU CHRIST - UNION MYSTERIUM CHRISTI.

