Voalamina tsara ny fihatahana am-panahy nataon’ny relijiozy lahy sy vavy
Voalamina tsara ny fihatahana am-panahy nataon’ny relijiozy lahy sy vavy
Ny tanjon'ity fihatahana ara-panahy ity dia ny hanampy ny relijiozy hiomana amin'ny fetin'ny Noely. Nanomboka tamin'ny vavaka “laudes” ny andro, notarihin'ireo maseran’ny Trinitarian’ny Rome.

Lo vavaka io dia narahan'ny lahateny nataon'ny pretra lazarista, Mompera Pierre Augustin. Ny fihatahana ara-panahy dia nifototra tamin'ny mariky ny fihainoana, ny fanavaozana anaty ary ny firahalahiana.
Nifahatra tamin’ny Evanjely araka ny nosoratan’ i Md Jaona 1, 38: "Raby ô, aiza no ipetrahanao?”, i mompera dia nampahatsiaro fa i Jesosy mihitsy no miantso, ary miantso mandrakariva noho ny fitiavana. Ny famaliana io antso io dia mitaky fo malalaka, vonona ny hamela ny tenany ho tarihina sy hitoetra ao anilan’ ny Tompo.
ITY FIHATAHANA MASINA ITY DIA FOTOANA SAROBIDY... MBA HANOMBOHANA INDRAY AMIN'NY HAFANAM-PO VAOVAO AMIN'NY FANOMPOANA AN'ANDRIAMANITRA SY NY OLONY.

Nandritra ny lahateniny, nanantitrantitra ny filàna ny fisarahana anatiny mba hanompoana tsara ny Fiangonana ilay mpandahateny, Matio 19, 25. Nasongadiny ireo toe-tsaina manan-danja izay tsy maintsy mampiavaka ny relijiozy tsirairay: "Toe-tsaina tsara, fitondran-tena fakan-tahaka, ary fifandraisana ara-pirahalahiana sy tsara fanahy amin'ireo mpiara-miasa." Ny fanekena ny fahalementsika sady mandroso amim-pahasahiana dia tena zava-dehibe ho an'ny fanokanantenantsika.

Ny fihaonana dia nizotra tao anatin'ny tontolo tsotra, am-bavaka ary firahalahiana. Nandray anjara feno tamin'io andro io ireo vondrom-piainana roa an' Maseran’ny Kristy ato amin'ny Diosezy, nijoro ho vavolombelona ny amin'ny karisma. Io fihatahana masina io dia fotoana sarobidy hamelomana indray ny fahasoavan'ny antso, hanamafisana ny fiombonana ary hanombohana indray amin'ny hafanam-po vaovao amin'ny fanompoana an'Andriamanitra sy ny olony.

Sœurs Claire et Nordina
