Tamin'ny volana desambra 2012 lasa teo no tonga teto Frantsa ireo masera tanora malagasy, miisa 11 mirahavavy. — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Tamin'ny volana desambra 2012 lasa teo no tonga teto Frantsa ireo masera tanora malagasy, miisa 11 mirahavavy.

Hafaliana ho an'ny provinsy Erôpa ny mandray azy ireo. Tsy ho ela dia ho avy ihany koa ny masera iray kameronezy hanao ny andram -piainana iraisam-pirenena eto Frantsa sy Italia.

Samy nihazo ny ankohonam-piainany, zay ipetrahany mandritra ny efa-bolana ny tsirairay, hamantatra tontolo, firenena hafa,
hirotsaka amin'ny asampanirahana araka ny fahaiza-manaony avy amin’ny fotoana voafetra,
handeha amin'ny toerana nodiavin'ireo mpanorina sy ny mpitantana ara-panahy ny fikambanana,
hanao jery todika sy hifampizara izay niainany sy hitany
Ireo no vinavinam-pandaharana.
Raha vita izany dia hiverina any amin'ny firenena niaviany hanohy ny fiofanana izy ireo, alohan'ny fanokanan-tena mandrakizay ho an’i Kristy ato amin’ny fikambanan’ny Sœurs du Christ, raha tiany izany.