CAMEROUN : 14 Nôvambra 2015 Dingana vaovao iray eo amin'ny fiainan'ny Reziô... — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

CAMEROUN : 14 Nôvambra 2015 Dingana vaovao iray eo amin'ny fiainan'ny Reziô...

Tao Nkongsamba no nihaona ny masera rehetran'ny Reziô Cameroun ny 14 Nôvambra.

Eo am-panombohana ny fe-potoam-piasany ny Fitondrana Jeneraly,tonga taty Cameroun Masera Emérentienne, Lehibe Jeneraly, sy Masera Claudie, Mpanolon-tsaina mba hihaona amindry masera any amin'ny toerana anatanterahany ny asam-panirahana sy nametraka amin'ny andraikiny ny Lehibe Reziônaly vaovao, Masera Mamy Viviane, sy ny mpanolon-tsaina azy.

Masera Maria Luisa, Lehibe Reziônaly teo aloha moa dia voafidy ho Mpanolon-tsaina Jeneraly, tamin’ny Jolay 2015.

Tamin’ny 6 hariva ny rehetra no nihazo ny Lasapely hanomboka ny fankalazana. Natomboka tamin’ny vavaka hariva nentanin’ny Kôminôten’i Nkongsamba, izay sady mpampiantrano ihany koa.

Tena tsara omana ny hira… ary ohatra ny nampiakatra anay ho any an-danitra ny feo …           ange-de-noel-a-colorier.jpg         Oadray !                  Nidina ato an-dasapely ve ny Anjely ?              Angamba...           fa ny endrika feno fifantohana     hita teny amindry masera dia manambara ny maha-zava- dehibe ny ity zavatra atrehina ity!

 

dscn1409bis (copier).jpg

           Taorian’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra, nandray fitenenana i Masera Emérentienne ho an’ny Fanirahana. Notolorany labozia mirehitra ny Lehibe Reziônaly vaovao, ny Fahazavan’ilay Nitsangan-ko velona tsy hanazava fotsiny ny lalan-kizorany, fa hampiasainy hanazavana sy hitondrana ny masera-ny.Manaraka izany, nomeny ny taratasy mirakitra ny Fanirahana izy sy ny mpanolon-tsaina tsirairay.

Tamin’izay noredonin’ny Masera rehetra ny tononkiran’i Maria ho fisaorana an’Andriamanitra noho io fiaingana vaovaon’ny fiainan’ny Reziô io.

  soeurs cameroun.jpg  Taorian’ny vavaka sy ny fankalazana ny Fanirahana dia nitohy tany amin’ny trano fisakafoanana sy efitra ho an’ny Kôminôte ny fihaonana : sary, fifampizarana vaovao sy hafaliana … niaraka tamin’i Masera Emérentienne sy Masera Claudie… Tena nigoka hafaliana ny reziô Cameroun, fotoana tena nampisongadina ny fiombonana… mety ho nalainay ny fangatahan’i Piera hoe:
« Andao hanorina lay telo isika Tompo… » !
 

Masera Arlette TAMO