Faly nandray mpikambana vaovao ao amin'ny fikambanany ny Soeurs du Christ any amy faritra Cemeroun. — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Faly nandray mpikambana vaovao ao amin'ny fikambanany ny Soeurs du Christ any amy faritra Cemeroun.

Ny marainan'ny 3 aogositre 2013 lasa teo tokoa mantsy i masera SHAVNYUY Yvette no nananao, an-kalahana sy an-kafaliana, ny voadin'ny Fahantrana, Fahadiovana ary Fanekena, mariky ny fanokanatenany hanara-dia akaiky kokoa an'i Kristy ato amin'ny Fikambanan'ny Soeurs du Christ.

Tamin’ny alalan’ny Sorona Masina, izay natao tao amin’ny trano fivavahan’ny noviciat ao Nkongsamba no nanaovany izany. Fotoan-dehibe sy masina nahafahana niombom-po nisaotra an’Andriamanitra tamin’ny famaliany ny antsony. Mirary azy izahay mba ho vavolombelon’i Kristy Loharano sy Fototry ny fampihavanana tokoa izy.
I masera SHAVNYUY Yvette moa dia avy any amy diosezy KUMBO, faritra avaratr’io firenena io. Nanomboka ny postulat tamy taona 2009 tany Bambui izy, notantana’i masera Catherine MORTON, nandritry ny roa taona, rehefa izany dia noraisina ho novice ny 7 aogositra 2011 tao Nkongsamba ka i masera Pascale BOULIOU no nitanatana azy tamin’izany. Ny 3 aogositra lasa teo izy no noraisin’i masera Maria Luisa SEPULVEDA CANDIA, solotenan’i masera Françoise CARON léhibenjereraly ny fikambanana, hanao ny voady voalohany.
Mirary soa anao zahay ry zandry amin’ny lalana iarahanao amin’Izy Tompo. Hambomba anao hatrany anie ny fitiavany.
« Miara-misaotra ny Tompo isika noho ny hatsarany sy ny zava-mahagaga nataony antsika, Aleloia »