« Tsy Ianareo no nifidy ahy fa Izaho no nifidy anareo ... » Tamin'ny alalan'io andihan-dahatsoratra Masina io no nanovozan'i masera Florence ny Hery amin'ny fanolorany ny fianinany manontolo ho an'Andriamnaitra ny 10 may 2014, tamin'ny alalan'ny voady mand — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

« Tsy Ianareo no nifidy ahy fa Izaho no nifidy anareo ... » Tamin'ny alalan'io andihan-dahatsoratra Masina io no nanovozan'i masera Florence ny Hery amin'ny fanolorany ny fianinany manontolo ho an'Andriamnaitra ny 10 may 2014, tamin'ny alalan'ny voady mand

Ny fankalazana dia nanomboka tamin'ny 10 ora tamin'ny alalan'ny Sorona Masina, notarihin'ny Monsenera Emmanuel Bshu, evekan'i Buea.
Mandray mandrakizay ny mpikambana iray dia tena harem-pahasoavana lehibe ho an'ny Camerour manokana sy ho an'ny Fikambanan'ny Soeurs du Christ manontolo.
Manohy mivavaka ho an'i masera Florence isika ary misaotra an'Andrimanitra amy ny fo manontolo ho an'ny fianakaviany izay nanohana azy tamin'ny famaliana amy fomba manokana ny antson'Andriamanitra.

Tsara ho marihina fa io no fandraisana voady farany natao voalohany teo amin’io Fiangonana Md Jozefa io. Betsaka tokoa kristianina non faly nanatrika voalohany io fankalazan-dehibe izay hafa tokoa raha mihoatra amin’ny fanamasinana pretra zay efa natrehan’ny maro tamin’izy ireo.

Ny zavatra tena nanohina tamin’ny fiainan’i Florence dia i masera Brigid Quin no nitondra ny Reniny tany amy hopitaly iny alina voatso-drano hiterahany an’i Florence iny, satria ny dadany dia miasa ao amin’ndry masera. Matetika izahay no mifamazivazy amin’izany satria tena mampahatsiaro ny fisian’Andrimanatritra ao anatin’ny zavona. Ary mahalaza azy tsara ny salamo hoe : « Iza no mahalala ny fisain’Andriamanitra ? »

Nahazo ny tso-dranon’ny fahatongavan’i masera Joyce Bone, solon-tenan’ny lehibem-pikambanana handray ny voadin’i masera Florence sy masera Albertine Rakotosoa mpanolo-tsainaazy ary masera Marianne Raharisoa, lehiben’ny provinsy Madagasikara, ihany koa izahay.

Ka miara-mihira izahay manao hoe : « Tongasoa ianao masera Florence Elumpe ! »
Ary dia mirary azy ho sambatra ato amin’ny Fikambanana !


Sœur Rillindis Nsah Yaya