CHILI : HO AMIN'NY ASAM-PANIRAHANA VAOVAO — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

CHILI : HO AMIN'NY ASAM-PANIRAHANA VAOVAO

Kôminôten'ny Puente Alto. Ry Masera : María Elena Vega, Emma Razafindravelo ary Mirella Riquelme no ao amin'io Kôminôte io.
Nipetraka tao Puente Alto ny 1 Jolay 2011 hatramin'ny 4 Marsa 2015 izahay.

Fotoana fohy fa tena nanan-danja ho anay. Nanana fahalalàna betsaka ny olona mpiray faritra taminay izahay. Tsy azonay odian-tsy hita fa namorona fifandraisana sy firotsahana niaraka tamin’ireo mpiara-monina taminay izahay, tamin’ireo Kristianina tao amin’ny Lasapely San Pablo sy ny olona tao amin’ny Vicariat n’ny Maipo.

Izany rehetra izany dia mangataka fiendahana tamin’izay rehetra fantatra. Avela ny asa, ny pastôraly, ny toerana nahazatra sy tiana.

Amin-kafanam-po no amalianay ny antson’ny Tompo sy ny asam-panirahana izay samy vaovao. Misy akony mandrakariva amin’ny fihetseham-po ny fisarahana. Fanaovam-beloma ireo olom-pantatra, avy eo mitaky fotoana ny hifanena amin’ireo endrika vaovao; mandeha, mandeha, tsy mitodika any aoriana na oviana na oviana, hoy ilay Hira