13 oktobra 2012 : fanirahana ny filan-kevitra rejiônaly vaovaon'i Kamerona — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

13 oktobra 2012 : fanirahana ny filan-kevitra rejiônaly vaovaon'i Kamerona

Masera Françoise Caron, Filoha jeneralin'ny Fikambanan'ny Soeurs du Christ, nametraka ny rejiônaly masera Maria Luisa
sy ireo mpanolo-tsaina 3 : Masera Rillindis, Viviane ary Béatrice.
Ahitana ny endrika maha-iraisam-pirenena ny Fikambanana ity filan-kevitra ity : Siliana 1, Malagasy 2 ary Kameronezy 1.

Ny masera rehetra sy ny Novisy no nandray anjara tamin’ity fotoan-dehibe ho an’ny Rejiônan’i Kamerona ity.
Nandritra ny fankalazana nelanelanin’ny hira amin’ny fiteny samihafa dia notsipihin’i Masera Françoise ny asam-panirahana ny masera : « Manana endrika iraisam-pirenena sy mitodika amin’ny fanofanana ny tanora avokoa ny kominôte rehetra. Enga anie ny tanin’i Kamerona izay voakolokolo sy voafafin’ireo masera avy amin’ny tany samihafa misy ny Fikambanana, hahatsapa hafaliana amin’ny fahitana fa mitombo ao amin’izy ireo ny Fanomezam-pahasoavana manokan’ny Sœurs du Christ ».
Avy eo nanasa ny masera tsirairay avy masera Françoise handray ny filan-kevitra vaovao : « Tsy misy ny masera manam-pahefana sy ny masera manaiky! Isika rehetra dia samy manaiky ny sitrapon’Andriamanitra izay azo tsapain-tanana sy miseho amin’ny fifandrindran’ny asa sy ny andraikitry ny tsirairay avy. »
Niafara tamin’ny sakafon’ny mpirahavavy ny fankalazana alohan’ny hiverenan’ny tsirairay avy any amin’ny toerana nanirahana azy.