Tamin'ny 2012, nankalaza ny faha-25 taonany ny kôminôte-n'i Longavi. — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Tamin'ny 2012, nankalaza ny faha-25 taonany ny kôminôte-n'i Longavi.

Ny 22 desambra 2012, nankalaza fety ny paroasin'i Masindahy Laurent-n'i Longavi : solontenan'ny fiangonana maro avy any ambanivohitra, mponin'I Longavi, solontenan'ny relijiozin'ny faritra, ny “Associés”- n'i Longavi ary ny ampahany maro tamin'ny Soeurs du Christ teo amin'ny Provinsy no niara-niangona nisaotra an'Andriamanitra noho ny 25 taona nipetrahan'ny Soeurs du Christ teo amin'ny kôminina.

Niorina tamin’ny 1987 ny kôminôte-n’i Longavi…
Ankehitriny, masera 3 no manorina azy: Teresita, Delfina sy Marie Thérèse. Isankarazany ny asan’izy ireo tsirairay avy na amin’ny ara-panahy na amin’ny lafiny maha-olona sy ara-tsosialy.


• Mba hampivoarana ny fitandrovana ny planeta sy hanentanana amin’ny fikolokoloana ny zava-boahary (ekôlôjia), dia namboly ôliva eo amin’ny tanin’ny lagrôty masera Marie Thérèse sy ny “Associés”.


• Mandeha bisikileta mizara kômonio amin’ny marary masera Delfina. Ao amin’ny ekipan’ny pastôralin’ny mararin’ny Paroasy izy.


• Masera Teresita manentana ny fivavahan’ny sokajy fototry ny lasapelin’ny lagrôty, ao Longavi. Misy giropim-bavaka mivory isan-kerinandro mifampizara ny momban’ny fiainana sy mivavaka miaraka. Isan-taona, mandritra ny volan’I Maria ny 8 novambra ka hatramin’ny 8 desambra, mivory ny paroasy kristianina mba hanao rozery sy handinika ny tenin’Andriamanitra.