MADAGASIKARA : Tantaran’i Synthia — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

MADAGASIKARA : Tantaran’i Synthia

Synthia : andram-pitsanganan-ko velona io ho an’ilay fiainakaviana

KôminôteAmbatolampy – Accueil (MADAGASIKARA) - andram-pitsanganan-ko velona io ho an’ilay fiainakaviana, Tantaran’i Synthia : rehefa mivory dia afaka manao fahagagana!

Ny 04 febroary 2021, rangahy avy Fiangonana iray nitondra ramatoa 3 tonga nandondona tao ambavahady. Tonga namosaka olana saro-bahana ka mitady fanampiana hahitana vaholana. Ny iray amin’ireo vehivavy 3 ireo ramatoa Berthine manan-janaka lahy roa 9 sy 4 taona,  ny rahavaviny iray sembana ara-batana ary ny iray hafa 16 taona. Ity farany nikarama mpandio trano tany amin’ny fianakaviana tany  Antananarivo. Ny volana septambra 2020, noroahin’ny mpampiasa hiverina tany amin’ny rahavaviny izy ary tsy nitondra vola sady efa toy ny olona adala : mikiakiaka, mandositra, miteniteny foana, mihinana izay hitany, … Nentin’ny rahavaviny Ra-Berthine tany amin’ny dadatoany tany Ankaratra izy. Ny fiandohan’ny febroary 2021, tsy afaka nitazona azy intsony ny dadatoany ka naveriny tany amin’ny Ra-Berthine. Tsy azony avela irery ao an-trano i Synthia. Aiza no hahita sakafo ho an’ny olona efatra na dimy ?

Masera Angélinah no nandeha nizaha ny toe-javatra nolaizain-dry zareo ary nitombina. Nitady izay fomba mba hanampiana an’io fianakaviana io ny kôminôte. Rehefa nifanakalo hevitra sy nandinika lalina dia nanapa-kevitra izahay ho fanombohana, hanome fitaovana sy vola. Ny tena maika indrindra dia ny ahitana toerana hitsaboana an’i Synthia . Taorian’ny fikarohana maro sy antso antaroby, nahazo ny fikambanan-dry Frera  Md Jean de Dieu  Manakambahiny Antananarivo mba handray azy. Mila fiara hitondrana azy ary iantohana ny lany ka mety tsy ho vitanay raha maharitra loatra. Tonga ny famonjena anay noho ny solom-bavambahoaka eto an-toerana fa izy no hiantoka ny lany mandra-pahasitranan’i Synthia, hitso-drano azy Andriamanitra !

Ny 12 febroary, nihaona tamin’ny mpitsabo izy ; vao nihinana voalohany fanafody dia tony ary afaka natory. Niaraka taminy ny fianakaviany tamin’io fotoana io.

Amin’izao fotoana izao ny fizahana faha-4 ataon’ny mpitsabo, tena mampitolagaga ny fiaovan’i Synthia: miteny ara-dalàna, misaina … Faly izy mahita anay sy manao zavatra kely. Endrey ny hafaliana nahita ny fivoarany ! amin’io sary io  Synthia  manao akanjo ba mitsipika fotsy sy mainty ary tapa-bolo .

Hasambarana ho anay ny miaina io andram-pitsanganan-ko velona noho ny fiaraha-miasa nampivondrona olona maro

Ny kôminôte d’Accueil – Ambatolampy