Kôminôten’ny masera zoky ‘Bethanie’ ao Ambatolampy — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Kôminôten’ny masera zoky ‘Bethanie’ ao Ambatolampy

Noely niarahana tamin'ireo voafonja tao AMBATOLAMPY

Mizara, làlana iray mankamin’ny fiombonana bebe kokoa …
Manoro antsika ny làlana ireo masera zokintsika…

ny zavatra niainana niaraka tamin’ireo voafonja eto Ambatolampy izahay.

Milaza aminay matetika ny dingana ataony i Mompera José Alain sy Masera Clémentine .I masera Clémentine no mikarakara ny fitadiavana ny olona miasa an-tsitrapo, ho an’ny fanomezana sy ny fanampiana hanatanterahana ny asa. Noho ny firotsahan’ny rehetra no nahafahanay nanome sakafo olona voafonja 296, ny 23 desambra.


Tena tsara ny fotoana. Fanakalazana ara-pivavahana nentanin’ireo voafonja no nahavory anay : fankalazana ny Sakramentan’ny fampihavanana, narahin’ny Sorona Masina. Tonga teo ihany koa ny Ben’ny Tanàna…

Avy eo dia nanao “Hira gasy” izy ireo talohan’ny sakafo. Nilahatra ireo voafonja niaraka tamin’ny lovia aman-tsotro ary nankafy: vary, hena kisoa, ovy sy anamalaho. Sakafo re izany !
Samy nahazo savony, zavatra izay ilaina ary fitafiana ny tsirairay. Nisaotra anay tamin’ny kabary tsara lahatra sy tamin’ny hira nampihetsi-po izy ireo.
Sahabo ho tamin’ny 2 tolak’andro no nisarahanay taorian’io fizarana feno hafalina io,fotoana kely feno fahazavana, firahalahiana eo amin’izao tontolo izay tena mila izany.