JOURNEE DE L’EES-CATHO – 4EME EDITION — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

JOURNEE DE L’EES-CATHO – 4EME EDITION

Ny mpianatra nandray anjara tamin'ny andron'ny Sekoly ambony katolika eto Madagasikara (EES-Catho)

Tontosa ny Talata 13 Febroary 2024, lasa teo, ny andron’ny sekoly ambony katolika eto
Madagasikara (EES-CATHO). Lohahevitra...: « Aoka mba ho fanasina sy fahazavana ny mpianatry ny sekoly ambony katolika, eny amin’ny sehatra rehetra misy azy »

Tontosa ny Talata 13 Febroary 2024, lasa teo, ny andron’ny sekoly ambony katolika eto Madagasikara (EES-CATHO). Notanterahana tao amin’ny tokontanin’ny  sekolin-dry freran’ny Fo Masin’i Jesoa (E.S.S.C.A) tao Antanimena izany. Lohahevitra nanentana ity andro ity ny hoe : 

 

EES-CATHO miray sy miara-dia

Nitarika ny sorona masina i Monseniera Randrianantenaina Gabriel, Evekan’ny diosezin’ny Tsiroanomandidy. « Aoka mba ho fanasina sy fahazavana ny mpianatry ny sekoly ambony katolika, eny amin’ny sehatra rehetra misy azy », hoy ny Eveka nanafatra.

 

Miisa valo ny sekoly ambony katolika eto Antananarivo tonga tany an-toerana. Nisy ny fifankahalalana sy fampisehoana nataon’ny sekoly tsirairay taorian’ny lamesa. Samy naneho  ny maha izy azy ny sekoly. Nisy ny nanao tantara kely. Tao ny nandihy, ny nanao tantara an-tsehatra. Nifampizara hafaliana ny mpianatra nandritra ity andro ity.