« Mpivahinin’ny fanantenana », lohahevitry ny pelerinazy nasionaly — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

« Mpivahinin’ny fanantenana », lohahevitry ny pelerinazy nasionaly

Mpivahinin’ny fanantenana, lohahevitry ny pelerinazy nasionaly

« Mpivahinin’ny fanantenana », manasa ny kristianina hiaina ao anatin’ny fanantenana ity lohahevitra ity, araka ny hafatra navelan’i Papa Fransoa.

Ny 17 sy 18 mey 2025, lasa teo, 40 000 teo ho eo ireo mpino nandray anjara tamin’ny fivahinianana masina  nasionaly katolika tany Ampefy, «Ilot de la Vierge ». Toerana fivavahana izay any amin’ny 118 km andrefan’Antananarivo, ao anatin’ny diosezin’i Miarinarivo.

Lohahevitra nandritra ity pelerinazy ity ny hoe « mpivahinin’ny fanantenana », manasa ny kristianina hiaina ao anatin’ny fanantenana ity lohahevitra ity, araka ny hafatra navelan’i Papa Fransoa.

Ny hafatry ny kardinaly Tsarahazana Désiré, solotenan’ny Papa ho an’io hetsika io, dia niompana tamin’ny finoana sy ny fanantena. Niantso ireo mpino izy mba hiatrika ny zava-manahirana am-pahatokiana an’i Jesoa Kristy, fototry ny tena fanantenana. Nohamafisiny ihany koa ny fitiava-namana, indrindra ny madinika sy ny mahantra. Tonga nanatrika ity fotoan-dehibe ity ny Evekan’ny Madagasikara.

 

 

Nanamarika ity fivahinianana masina ity ny alim-bavaka, sakramentan’ny indolzansy, ny Rozery sy ny fitsaohana ny Sakramenta Masina. Madagasikara dia natokana ho an’ny Fo Masin’i Jesoa hatramin’io fotoana sarobidy io. Afaka nizara ny zava nisy niainany nandritra ny fifidianana ny Papa tany Roma ihany koa ny Kardinaly. Ny taona masin’ny Eglizy Katolika izay manamarika fotoana iray fibebahana sy fivalozana.

 

Ilot de la Vierge, Ampefy, Madagascar