Antso. Safidim-piainana. Hafaliana nozaraina.
Masera 7 ny Fikambanan-dry Maseran’i Kristy no nanonona ny voady mandrakizay tao Antsirabe ny 27 jolay 2025.
Tiako ny mizara aminareo ny zavatra niainako nandritra ny fankalazana ny fanokanako tena mandrakizay. Tao anatin’ny hafaliana be aho. Nandritra ny Eokaristia, dia nangataka tamin’ny Fanahy Masina aho hitantana ahy tamin’io andro tsy manam-paharoa io. Misaotra an’Andriamanitra aho tamin’ny niantsoany ahy ho ato amin’ity Fikambanana ity, ankiniko aminy ny fanoloran-tenako. Vonona aho ny hiaina am-pahamendrehana ny voadiko amin’ny fanarahana an’i Kristy anadahintsika. Apetrako eo am-pelantanan’ny Tompontsika ny fanoloran-tenako izay niantso antsika ho vavolombelony. Masera Adeline

Faly aho mizara aminareo ny hafaliana lehibe nandritra ny Eokaristian’ity dingana lehibe amin’ny fiainako ity. Andro iray tsy hay adinoina. Feno fankasitrahana an’ny Tompo ny foko izay nisafidy ahy ato amin’ity Fikamabanana ity ary ny fitiavany ahy. Toa an’i Maria, ny foko midera ny Tompontsika, ny saiko mifaly amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy. Tamin’ireo fahasoavana noraisina, vonona aho hanolotra ny fiainako ho an’ny Tompo, te hilaza aminy mandrakariva aho hoe anao manontolo aho. Masera Euphrasie
Io 27 jolay io dia mijanona ho androm-pety sy fifaliana ho ahy. Andro iray izay nanononako ny voadiko mandrakizay miaraka amin’ny Tompo. Tamin’ireo voady ireo, no nanolorako Azy ny fiainako manontolo, matoky ny fitiavany mandrakizay. Misaotra an’Andriamanitra aho tamin’ireo soa izay nampombany ahy nandritra ny lalana nodiavina samy irery. Ankiniko Aminy ny lalana mbola hodiaviko eo am-panarahan-dia an’i Kristy ato amin’ny Fikambanan-dry Maseran’i Kristy. Hataoko izay fara eriko mba ilazako eny amin’ny sitrampon’Andriamanitra izay niantso ahy. Masera Hary

Tahaka ny andefomandry manatona ny malalany, tonga tamin'ity andro feno fifaliana ity aho hanolotra ao amin'ny Tompo ny fanomezana tanteraka ny fiainako. Tao anatin’ny fahazavan’ny Eokaristia, nanonona ny voadiko mandrakizay aho, nitondra ny fiadanana sy ny hafaliana lalina ho fantatra fa ho anjarany mandrakizay aho. Enga anie ny fiainako ho kalo feno fifaliana sy fampanompoana feno fitiavana, ho voninahitr’ Andriamanitra sy ho famonjena an’ izao tontolo izao. Atolotro Azy ny ezaka rehetra mba hanao hoe eny amin'ny sitrapony aho. Masera Vivienne
Ny 27 jolay, ny Tompo nanenika fahasoavana sy hafaliana tamiko. Navelany nilaza eny mandrakariva tamin’ny alalan’ny voadiko mandrakizay aho. Io andro io ho ahy dia andron’ny fiadanana, sy ny fankasitrahana. Mahatsapa aho fa tian’Andriamanitra, ary misaotra azy aho noho ity fitiavana tsy manam-pahataperana ity. Tena mankasitraka ny Tompo aho, ary vonona ny hanatontosa ny iraka ataoko ho fanomezam-boninahitra Azy. Masera Jeanine

Ny andro izay nanononako ny voadiko mandrakizay, dia andro sambatra ary voatokana ho ahy. Andro iray heniky ny fahasoavana izay tsy azoko sary an-tsaina na oviana na oviana. Ny anara-ndry Maseran’i Kristy union Mysterium Christi no miantso ahy ho isan’ny mpikamabana tena akaikin’i Jesoa. Andron’ny hafaliana sy hery ara-panahy ho ahy, ho an’ny Fikambanana, ho an’ny fianakaviana ary ny Fiangonana manontolo. Mankasitraka ny Tompo aho ary misaotra azy amin’ny fiainana rehetra izay ombany ahy. Masera Schinina
Tamin’io andro 27 jolay io, dibon-kafaliana sy fankasitrahana ny foko. Tamin’ny alalan’ny voadiko mandrakizay, no namaliako ny antson’Andriamanitra miaraka amin’ny fiainako manontolo. Manaiky ny maha Azy mandrakizay, na ao amin’ny fifaliana na ao amin’ny sedra. Tsapako fa miombona ao amin’ny fitiavany tsy mivadika aho, io hetsika io dia tsy fampanantenana fotsiny natao tamin’Andriamanitra, fa ihany koa fijoroana ho vavolombelona atao amin’izao tontolo izao. Mba ho fantratr’izy iero fa i Kristy dia mendrika ny hotiavina amin’ny fony manontolo, amin’ny sainy manontolo ary amin’ny heriny manontolo. Masera Hasina
