2022 : FISOKAFAN’NY AMBARATONGA FAHAROA ANDONAKA — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

2022 : FISOKAFAN’NY AMBARATONGA FAHAROA ANDONAKA

Raha tsy nisy firaisan-kina dia voatery najanona ny taona, 2021... noho ny valanaretina Covid sy loza voajanahary isan-karazany (rivo-doza, hain-tany…)

Andonaka, tanàna lehibe atsimon’i Fianarantsoa

Hatramin’ny fahatongavan-dry masera, ary noho ny fanampian’ny fampirahavaviana an’ Andonaka / Kolejy Masina Maria tsy azon-keloka Villeurbanne (Frantsa)

- tobim-pahasalamana kely iray
- sekoly ambaratonga fototra
- sekoly ambaratonga voalohany

 no voatsagana. Olon-dehibe,tanora sy ankizy no afaka mahazo fitsaboana ao sy manovo fahalalàna.


Tamin’ny 2021, saika tavela ny tetikasa hanorenana sekoly ambaratonga faharoa noho ny valanaretina Covid sy loza voajanahary isan-karazany (rivo-doza, hain-tany…) izay nampahantra ny fianakaviana ka tsy nahafahan’izy ireo nandray anjara  (‘’saram-pianarana’’, vokatry ny tany na fiompiana sns…)

Noho ny fanomezana avy amin’ny Sekoly Villeurbanne Frantsa nitohy indray ny asa .

Afaka misokatra ny  ambaratonga faharoa ny septambra 2022. Mikasa ny hanao fankalazana fitokanana kely izahay ny volana desambra noho ny faha 25 taonan’ny Kolejy izay eo ambany fiarovan’i Masina Maria ‘’ Fahaterahan’i Masina Maria’’.

Tompon’andraikitry ny Sekoly sy ireo rehetra mpanabe ny tanora
(ny mpiasa sy ny ray aman-dreny),

manorina miaraka ny
fahatanorana rahampitso isika!