Fanitarana ny librairien’ny diosezy Ihosy
Fanitarana ny librairien’ny diosezy Ihosy
Nitarina ny trano fivarotam-boky, eto amin’ny diosezy Ihosy, izay tantanan’ny fikambanan’ny Soeurs du Christ. Ity fanitarana ity dia natao mba hanomezana toerana malalaka kokoa sy hamaliana ny filàn’ny vahoaka. Ny alarobia 11 marsa 2026, lasa teo, no nanomboka ny asa. Notanterahina tamin’izany ny fitsofan-drano sy ny fametrahana ny vato fototra, izay nataon’i Mompera Flavien, sy i Mompera Mombelli, ary Ralahy Alexis talen’ny ONG Tsimoka izay mpiara-miasa amin’ny diosezy. Nisy ny fiombonam-bavaka nandritra izany fotoana izany.


Amin’izao fotoana izao dia i Masera Angeline no miasa sy miandraikitra ny librairie. Rehefa vita ny fanitarana dia ho lehibe kokoa ny toerana ka hahafahana mampitombo sy manitatra ny entana amidy. Ankoatra izany dia hisy “cyber” mba hanomezana tolotra vaovao ho an’ny olona. Araka ny fanazavan’i Mompera Flavien, izay mpitantana ny fananan’ny diosezy, tanjona amin’’ity tetikasa ity ny hampitombo ny vola miditra ho an’ny diosezy. Izany vola izany dia hanampiana indrindra amin’ny fanohanana ny seminera, izay toerana anofanana ny tanora ho pretra.
Ny orinasa Galaxy no manao ny asa fanorenana, ary araka ny vina napetraka dia amin’ny faran’ny volana avrily ity no ho vita ny asa. Miezaka mitady vahaolana ny diosezy mba hisian’ny asa maharitra ho fanohanana ny iraka ataony, sady mamaly ny filàn’ny fiaraha-monina.
Nordine
