Jobily faha 50 taona ny Sœurs du Christ - Madagasikara — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Jobily faha 50 taona ny Sœurs du Christ - Madagasikara

Miaraka , andeha lavidavitra kokoa mba hanorina fahariana vaovao

Ny Jobily nankalazana ny faha dimampolo taonan’ny Sœurs du Christ, Union Mysterium Christi ny 6, 7, 8 ary 9 aogositra 2026 tao Ambatolampy Madagasikara dia nanampy igaga sy ibanjina ny endrik’i Kristy Fototra sy Mpanorina ny fiombonana amin’ny maha olombelona azy, ao amin’ny Eglizy ary ao amin’ny eokaristia.

Hetsika telo lehibe nanasongadina ny jobilyT

Teo amin’ny lafiny ara-panahy nisy ny Sorona Masina fisaorana an’Andriamanitra, tao amin’ny Eglizy Notre Dame de Lourdes Ambatolampy, izay nanaovany masera fito mirahavavy: Zoel, Ando, Hasina Honorine, Jackie Victoire, Rose Martine, Marthe Rajoma, Véronique, ny voady mandrakizay tao amin’ny fikambanana. Teo ny jobily faha 25 taona naha relijiozy ny masera 7 mirahavavy: Meltine, Hanta Berthine, Marie Bénédicte, Louise Estelle, Beby Colette, Claire, Josiane Oldine, ary jobily faha enimpolo taona naha relijiozy an’i Simone Alice sy Madeleine Sophie. Nanatrika ny fankalazana manontolo i Masera Emerentienne lehibe jeneraly sy Masera Marianne, mpanolo-tsaina azy.

Nitarika ny Sorona Masina tamin’izany ny Eveka efatra mirahalahy: Mgr Jean de Dieu, arsevek’Antananarivo, Mgr Fulgence arsevekan’i Fianarantsoa et Mgr Fulgence, eveka’Ihosy, Mgr Jeanot Martial, eveka mpanampin’i Diosezin’i Morondava. Ity farany moa dia sady Mpiara-dalana amin’ny Fikambanana. Ny Pretra dia miisa manodididna ny enimpolo eo ho eo k any folo mahery tamin’izy ireo, mpiara-dalana amin’ny Sœurs du Christ, miaina ny aim-panahy any amin’ny sehatra pastoraly anrahana azy ireo.

Teo koa ny relijiozy lehilahy sy vehivavy marobe nifanotrona. Marihina fa ny sabotsy 8 aogositra dia nisy mpiara-dalana laika  avy any amin’ny vondrona samihafa miisa folo amby zato nanao fanomezan-tena iaina bebe kokoa ny aim-panahin’ny Sœurs du Christ – Union Mysterium Christi.

Teo amin’ny lafiny ara-kolo-tsaina sy zava-kanto dia anisan’ny nanafana ny fety koa ny fanehoan’ny kominote sy ireo mpiara-dia aminy isaky ny faritra ny loha hevitra iombonana hoe “Kristy Fototra sy Mpanorian ny fiombonana ary ny hoe “miaraka andeha lavidavitra kokoa”. Tena nahafaly sy nahatalanjona tokoa fahafahan’ny faritra tsirairay maneho araka ny kolon-tsainy: antandroy, Bara, Betsileo, Sakalava, Menabe, Merina, Tsimihety, io lohahevitra iray iombonana io. Fanampin’izany ny fidobokin’ny bampampa zay zava-maneno manamarika manokana ny fety malagasy tena nanafana ny fety tokoa sy nahafahan’ny rehetra niara-paly sy nandihy.

 

Farany dia ny nofon-kena mitam-pihavanana, izay nanomezana sakafo ny olona maherin’ny roa arivo isa. Nampahatsiaro ny famahanan’i Kristy sy ny mpianany ny olona aman’alinalina tany an’efitra.

 

Miaraka , andeha lavidavitra kokoa mba hanorina fahariana vaovao.

 

Mopera Marc Ravelonantoandro Datou, Associé Prêtre