Cameroun : Masera Rillindis — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Cameroun : Masera Rillindis

CAMEROUN (BAMBUI)

"Amin’ny andraikitra tontosaiko dia manampy ny olona fotsiny aho mba hiara-miasa bebe kokoa"

 Masera Rillindis  NSAH no anarako, 45 taona. Ato amin’ny Fikambanan’ny  Sœurs du Christ hatramin’ny 1993 ary nanao ny voady farany ny 25 Marsa 2009, Fetin’ny filazan’ny Arkanjely tamin’i Masina Maria.
Amin’izao fotoana izao dia anisan’ny kôminôten’i Bambui aty Bamenda aho, amin’ny faritra avaratra andrefan’i Kameronina. Izaho no miandraikitra ny fanofanana sy fitantanana ireo tanora Postulantes maniry hiditra ato amin’ny fikambanana  sy manentana ny antson’Andriamanitra ato amin’ny Reziô.

Hafaliana lehibe ny mihaona amin’ny tanora  maniry ny hanara-dia an’i Kristy amin’ny fiaianana maha-lahika na amin’ny fiainana voatokana. Rehefa misy tanora tovovavy mangataka ny hiditra ato amin’ny Fikambanana dia miteny amiko sy manome ahy fahavitrihana.
Ny ho avin’ny fiainan-drelijiozy dia eo am-pelatanan’ny Tompo fa miankina amin’ny fijoroan-tsika ho vavolombelona sy ny vavaka ataontsika. Manasa ny tsirairay aho hivavaka ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra ho relijiozy satria tsy ampy io ho an’ny Kamerona ary ahiahy ho ahy.
Mikatsaka isan’andro miaraka amin’i Jesoa aho, tsy misy tsy efany. Ato amin’ny Kôminôte misy ahy sy ato amin’ny Reziô dia samy hafa firenena, foko, kolon-tsaina dia miara-miaina ary mivelona ny fanomezam-pahasoavan’ny Fiombonanan’ny Fikambanana na eo aza ny fahasamihafana sy ny fahosana. Ny mavesa-danja dia ny fitiavan’i Jesoa manentana antsika ato amin’ny fiainan’ny olom-boatokana. Ny olona rehetra izay ifaneraserako amin’ny firotsahako andavanandro dia manova ny fisainako sy ny fomba fanaoko.Mampanankarena ary mampianatra higaga ny fomba fiainanan’ny hafa.

Amin’ny andraikitra tontosaiko dia manampy ny olona fotsiny aho mba hiara-miasa bebe kokoa, hiaina ny faniriany manokana hirotsaka amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy, manaja ny fahasamihafana ara-pirenena, kolon-tsaina, mba ho afaka ny tsirairay haneho an-kahalalahana izay niainany, hitany ka izany no mampanakarena ny traikefan’ny hafa.

Masera Rillindis