ny fizarana marina miaraka amin'ny rahavavy — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

ny fizarana marina miaraka amin'ny rahavavy

“Raha mijaly ny momba ny tena iray, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; raha omem-boninahitra ny rantsambatana iray, dia samy miara-mifaly aminy avokoa. » 1 Korintiana 12, 26

« Koa raha mijaly ny rantsam-batana iray, dia miara-mijaly avokoa ny rantsam-batana rehetra ; fa raha mahazo voninahitra kosa ny rantsam-batana iray, dia miara-mifaly ny  rantsam-batana  rehetra. » 1 Kor 12, 26

Hatramin’ny 10 taona no nandaozako ny fireneko sy ny  Provinsy malagasy . Nantsoin’ny asam-panirahana ho amin’ny tany hafa aho : Kamerona.

Ny asam-panirahana dia loharanon’ny fihaonana, mitondra zava-baovao ary hafaliana fa loharanon’ny fijaliana manokana ihany koa rehefa lavitry ny olona maminao amin’ny fotoana hodiany amin’ny Tompo.

Io no andram-piainana nataoko ny 17 marsa 2022 rehefa nandre ny vaovao ny nahafatesan’ny zokiko vavy any  Madagasikara. Izy no nizaràko ny hafaliako sy ny alaheloko, nandritra ny fialan-tsasatro farany tany ny volana desambra 2021 sy janoary 2022. Tena mafy tamiko fa ny Tompo nanova ny alaheloko ho hafaliana.

Tsapako ny fizarana marina miaraka amin’ny rahavavy ato amin’ny kôminôte, ny Delegasiôna Kamerona, ry masera rehetra any Madagasikara : nisy tamin’izy ireo nandeha tany amin’ny tanàna nitsapa alahelo ny fianakaviako sy nandevina. Henoko ny fanohanan-dry masera tany Chili niantso ahy an-tariby sy ny fankaherezan’ny Kristianina...

 

Io zava-nitranga nampangirifiry io no nahafahako nanao ny andrana fitiavana feno firahalahiana nahery vaika, mampiombona sy manampy hioitra ny fahasarotana andavanandro mba handroso miaraka…Eny mba handry am-piadanana ny fanahin’ny rahavaviko ary hivavaka ho antsika rehetra izy !

 

 

Masera  Angeline