JEAN EUDES (1601 – 1680) — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

JEAN EUDES (1601 – 1680)

Jiro manazava ny dianay
Tamin'ny batemy, ny olona rehetra dia antsoina ho amy ny fahamasinan'Andriamanitra izay nanao fanekem-pihavanana taminy.

Ny fikasana lehiben’Andriamanitra dia ny hamondrona izao rehetra izao ao amin’i Kristy, ka ny fisian’ny olombelona dia zary voninahitr’Andriamanitra. Ny zavatra lehibe indrindra amin’ny hafany dia ny fametrahana ho lohalaharana ny Fitiavana :
TIA AN’ANDRIAMANITRA ho Azy ANDRIAMANITRA.
« Hitanareo izay maha-izy ny fiainana kristianina dia tsy inona fa fanohizana, fanatanterahana ny fiainan’i Jesoa. Ny asantsika rehetra dia tsy maintsy ho fanohizana ny an’i Jesoa, tsy maintsy ho tahaka ny tamin’ny andron’i Jesoa teto an-tany mba hanohy ny fiainany sy ny asany ary mba hanatanteraka sy hijaly amin’izay rehetra ataontsika sy ijaliantsika am-pahamasinana araka an’Andriamanitra, ao amin’ny Fanahin’i Jesoa. »
Vie et Royaume de Jésus, Livre 1, ch 1
 

eudes.jpg