Fanahy Masina — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Fanahy Masina

Miaraka izahay no mahatsapa ny fisiana sy ny asan'ny Fanahy Masina :
hery tsy nampoizina sy naha-verihevitra indraindray, izay hany tokana afaka mamondrona ny Fikambanana samy hafa fihaviana ao anatin'ny fanajana ny fahasamihafana ary ny fandraisana ny harem-panahin'ny tsirairay.

Efa samy nanaja manokana ny lafiny iray amin’ny fiainan’i Kristy tao amin’ny Fikambananay izahay no voaantso hisokatra amin’ny hafenoan’ny Misterin’i Kristy.
(Ef. 1, 9-10. Col 1, 15-21)

Ny Fiombonanay dia maka toerana eo amin’ny tantaran’ ny Vahoakan’Andriamanitra, ny Fiangonana. Amin’izay ny ezaka fampivondronana ataonay dia miditra amin’ny fikasan’Andriamanitra :

« Ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’ny Filoha tokana dia i Kristy » ( Ef. 1,10)

Raisinay ny fanirahana vaovao ankinin’Andriamanitra aminay ao amin’ny Fiangonana sy izao tontolo izao ho :

VAVOLOMBELON’I JESOA KRISTY
FOTOTRA SY MPAMORONA NY MAHA – IRAY

 

transfiguration.jpg