Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Résultats de recherche

Il y a 324 éléments qui correspondent à vos termes de recherche.
Filtrer les résultats
Type d'élément













Éléments créés depuis



Trier par pertinence · date (le plus récent en premier) · alphabétiquement

Fankalazana ny fahadimampolo taonan'ny maseran'i Kristy

Fotoana mahery vaika ny fankalazana, izay nanehoan'ny hira sy ny vavaka ny firaisankina sy ny fanoloran-tenanay hiara-hiaina.

Rattaché à 1976 - 2026: Jobily faha 50 taona / Cameroun

Fahatsiarovana ny tantara iombonantsika sady fisaorana an’Andriamanitra

Ny Fanahin'Andriamanitra dia eo amintsika mandrakariva... Manana zavatra tsy ampoizina ho antsika ny Fanahy Masina! Ny fisainan'Andriamanitra sy ny fitiavany dia tsy ho levona na oviana na oviana... Ny Fanahy Masina dia ho eo amin'ny dingana rehetra, mamporisika anareo mandrakariva amin'ny zava-baovao...

Rattaché à 1976 - 2026: Jobily faha 50 taona / Fikambanana

Madagasikara

Tamin'ny 6 Aogositra 2025, día maro ireo ankohonam-piainana, mpiara-miombon’antoka ary mpino niara-nankalaza ny Lamesa manetriketrika nanokafana ny Jobilin’ny faha-50 taonan'ny Fikambanan’ny maseran'i Kristy. Ity fankalazana ity dia niaina tao anatin'ny fanahin'ny fiombonana sy ny fankasitrahana noho ny dingana nolalovana nandritra ny 50 taona lasa teo amin'ny fanompoana ny Fiangonana.

Rattaché à 1976 - 2026: Jobily faha 50 taona

Europe

Tamin'ny 6 Aogositra, fetin'ny Fiovan-tarehin'i Kristy, taty Eoropa, día maro ireo ankohonam-piainana sy mpiara-miombon’antoka nankalaza ny fanokafana ny Taon- jobiln'ny faha-50 taonan'ny Fikambanan'ny Maseran'i Kristy. Ity zava-mitranga ity día vao mainka mamirapiratra rehefa raisintsika ho toy ny fetin'ny Fikambanana, mandritra ny tantarantsika!

Rattaché à 1976 - 2026: Jobily faha 50 taona

Chili

“Ny sabotsy faha-9 aogositra 2025, dia niaina fotoana manan-danja tokoa izahay nandritra ny fankalazana ny fanokafana ny jobily faha-50 taona ny maha Maseran'i Kristy, tao amin' ny Sorona Masina notarihin'ny Kardinaly Fernando Chomali tao amin'ny fiangonana El Divino Redentor”, Santiago de Chile

Rattaché à 1976 - 2026: Jobily faha 50 taona

Cameroun

Taty Cameroun, tamim-pahavitrihana sy fifaliana no nankalazainay ny fanokafana ny Jobilin’ ny faha-50 taonan'ny Fikambanan’ny Maseran’i Kristy. Ity andro tsy hay hadinoina ity dia nanomboka tamin'ny lanonana fandrehetana labozia mampihetsi-po teo amin'ny fidirana amin'ny fankalazana ny Eokaristia, mariky ny fahazavana sy ny fanantenana, fifaliana lehibe sy fankasitrahana noho ireo taona maro nanompoana sy nanokan-tena ny Fikambanana ato amin'ny Fiangonana sy manerana izao tontolo izao.

Rattaché à 1976 - 2026: Jobily faha 50 taona

Fikambanana

“Miaraka, Andao handeha lavidavitra kokoa” “... dia hanao dingana vaovao amin'ny maha VATANA iray « Sœurs du Christ » antsika isika. Ary hihaino tsy tapaka hatrany ny antso mba "hielipatrana", "hanitatra ny ambaindain’ny lasintsika" ». Miara-miditra ankafaliana lehibe, feno hevibaovao maro, amin'ny fankalazana ny faha-50 taonantsika isika.

Rattaché à 1976 - 2026: Jobily faha 50 taona

1976 - 2026: Jobily faha 50 taona

Hatramin’izay dimampolo taona izay, dia nanohy ny lalana araka izay nirian'Andriamanitra isika, miaraka amin'ny Fitokisana, Finoana ary Fanantenana, miasa eo anivon'izao tontolo izao izay sady mizarazara no miezaka mirona mankany amin'ny Fiombonana, amin'ny tsy fivadihana amin'ny Fanomezam-pahasoavana: "Sœurs du Christ, Union Mysterium Christi, ankatoavintsika ao amin'ny tantarantsika ny asan’ny Fanahy izay miantso antsika ho VAVOLOMBELON’I KRISTY FOTOTRA sy MPANATONTOSA ny FIOMBONANA, Ary avy amin’izany no ampidirana antsika ao amin’ny ivon’ny Fikasan’ ny Ray dia ny : “Hampivondrona izao Rehetra izao eo ambany Filoha tokana, dia Kristy" (Ef 1,10) Ilay Andriamanitra Raintsika dia mampandray anjara antsika amin' ny Fikasany mba hanangona ireo zanany mielipatrana ho IRAY sy ny fisantarana ny FAHARIANA VAOVAO.

« Mpivahinin’ny fanantenana », lohahevitry ny pelerinazy nasionaly

« Mpivahinin’ny fanantenana », manasa ny kristianina hiaina ao anatin’ny fanantenana ity lohahevitra ity, araka ny hafatra navelan’i Papa Fransoa.

Rattaché à Ny toeram-piasantsika / MADAGASIKARA

Fankalazana ny Jobily nataon'i rahavavy Delfina, 60 taona niainana ny maha relijiozy

Dia tena nampihetsi-po tokoa ny fijoroana ho vavolombelona ny fitiava amam-paharetanan’i Delfina, amin’ny antson'ny Tompo

Rattaché à Ny toeram-piasantsika / CHILI