Fahatsiarovana ny tantara iombonantsika sady fisaorana an’Andriamanitra — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Fahatsiarovana ny tantara iombonantsika sady fisaorana an’Andriamanitra

Miaraka, Andao handeha lavidavitra kokoa

Ny Fanahin'Andriamanitra dia eo amintsika mandrakariva... Manana zavatra tsy ampoizina ho antsika ny Fanahy Masina! Ny fisainan'Andriamanitra sy ny fitiavany dia tsy ho levona na oviana na oviana... Ny Fanahy Masina dia ho eo amin'ny dingana rehetra, mamporisika anareo mandrakariva amin'ny zava-baovao...

« Mialà amin’ny tanin’ny Rainao…" (Gen. 12, 1), ‘Mandehàna…’ (Eks. 3,10) ‘Aza matahotra, ry Maria…’ (Lioka 1,30). Fiongotana, fialàna amin’ny fitokisana ny maha-olombelona, ​​  fanekena mora foana,  fahatokisana... ireo no fepetra ahafahan’Andriamanitra hitarika ny olony ho any amin’ny Tany Nampanantenaina, ho amin’ny fahatanterahan’izany Teny fampanantenana izany, amin’ny alalan’i Maria, ao amin’i Jesosy Kristy... Sahiko ny mampfifandray ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra, izay misy antsika, sy ny an’ny Fikambanantsika. Indray andro dia nanakoako ny antso hivondrona manodidina ny MISTERIAN’I KRISTY, nahatsapa izany izahay, ka nanomboka lalandavitra teo ambany tsiokan’ Fanahy … Ary dia tontosa ny FIOMBONANA ny 27 desambra 1976. Tena zava-nitranga ara-panahy tokoa izy ity fa… fivondronanan sitrak’ Andriamanitra, ao amin’ny Eglizy, tamin’ny alalan’ny dingana maha-olombelona izay ​​azo antoka fa niaraka tamin’ny fisalasalany, ny fitsapatsapany ary ny firosoany … »

I Masera Thérèse de LARMINAT, Lehiben’ny jeneraly, ao amin’ny sasi-tenin’ny boky SŒURS DU CHRIST, Numéro spécial. dia nanambara toy izao :

Hatramin’izay dimampolo taona izay, dia nanohy ny lalana araka izay nirian'Andriamanitra isika, miaraka amin'ny Fitokisana, Finoana ary Fanantenana, miasa eo anivon'izao tontolo izao izay sady mizarazara no miezaka mirona mankany amin'ny Fiombonana, amin'ny tsy fivadihana amin'ny Fanomezam-pahasoavana:

"Sœurs du Christ, Union Mysterium Christi, ankatoavintsika ao amin'ny tantarantsika ny asan’ny Fanahy izay miantso antsika ho VAVOLOMBELON’I KRISTY FOTOTRA sy MPANATONTOSA ny FIOMBONANA, Ary avy amin’izany no ampidirana antsika ao amin’ny ivon’ny Fikasan’ ny Ray dia ny :

“Hampivondrona izao Rehetra izao eo ambany Filoha tokana, dia Kristy" (Ef 1,10)

Mandray ny Iraka avy amin'ny Fanahy  sy nankatoavin’ny Eglizy isika, mba ho mpandrafitra FIOMBONANA ao amin’i Jesoa Kristy. » (Vinampiainana p. XXV)

Ilay Andriamanitra Raintsika dia mampandray anjara antsika amin' 

« ny Fikasany mba hanangona ireo zanany mielipatrana ho IRAY sy ny fisantarana ny FAHARIANA VAOVAO. ».

Asaina àry isika tsirairay hitodika  indray ny   niainan’ny Fikambanana nandritra izay 50 taona lasa izay sy hisaotra an’Andriamanitra ny amin’izany.

« Miaraka,  Andao handeha  lavidavitra kokoa »

... dia hanao dingana vaovao amin'ny  maha VATANA iray « Sœurs du Christ » antsika isika.  Ary hihaino tsy tapaka hatrany ny antso   mba "hielipatrana", "hanitatra ny ambaindain’ny lasintsika" ».

ireto tenin’i Kardinaly Marty nandritra ny Toriteny tamin’ny Lamesa ny 29 Desambra 1976 ireto ; mbola miteny amintsika amin-kery ankehitriny.

Ny Fanahin'Andriamanitra dia eo amintsika mandrakariva... Manana zavatra tsy ampoizina ho antsika ny Fanahy Masina! Ny fisainan'Andriamanitra sy ny fitiavany dia tsy ho levona na oviana na oviana... Ny Fanahy Masina dia ho eo amin'ny dingana rehetra, mamporisika anareo mandrakariva amin'ny zava-baovao... Tsy tokony ho sasatra na ho kivy na oviana na oviana ... . Mora foana ny mandrava ! Eny, ny Fanahy tsy mandrava, manorina mandrakariva ny Fanahy. »

Noho izany, aoka ho mpanorina hoan’ny ampitso ianareo! »

Ankaherizin’izay teny izany, tohizo ny diantsika !  Arahaba tratry ny fety 6 aogositra 2025 !

Miara-miditra ankafaliana lehibe, feno hevibaovao maro, amin'ny fankalazana ny faha-50 taonantsika  isika.

 

Ny Filankevitra Jeneraly