Filankevitra Itarina 2026
“Avaoziko ny zavatra rehetra” (Ap. 21, 5)

Ny Filankevitra Jeneraly, ireo tomponandraikitra sy ireo mpampiofana avy amin’ny faritra tsirairay ato amin’ny fikambanan’ny maseran’i Kristy, dia nivory tao Paris, mba handray anjara amin’ny Filankevitra Itarina an’ity taona 2026 ity. Azontsika atao ny mankasitraka isan-taona ny fomba itondran’ity fihaonana ity ny zava-baovaony mba hamaliana ny “famantarana ny vanim-potoana ankehitriny”.
Mahafaly ny mahita hoe, ireo rahavavy tanora izay nofaninao synoraisina teo am-pelatananao ny fanolorantenany indary andro, no manomboka mandray andraikitra ato amin’ny Fikambanana.
Famihinana, topimaso, teny fiarahabana, fifaliana ifampizarana ary hafanam-po hihaona indray amin’ny “toerana” izay i Kristy no loharanon’ny fiainana sy ny firaisankian’ny mpirahavavy. Ny fisiany tsy misy fepetra no mampiray antsika.

Fotoam-bavaka mahery vaika, fivoriambe, fiaraha-miasa, fotoana fahanginana sy fandinihana manokana, fisaintsainana sy fizarana dia namorona rivo-piainana izay namporisika ireo rahavavy handroso sy handeha lavidavitra kokoa amin’ny fandinihan’izy ireo.


Fotoana fialam-boly, hira, fifanakalozana fanomezana izay maneho ny fifaliana Amin’ny fizarana ny kolontsain’ny fireneny, fankalazana ny Jobily 25 sy 50 taona, Ny nanokanan-tena ho an’ny Tompo an’i Marie Helena sy Marie-Christine, fihaonana manokana tamin’ny tsirairay, nanamafy ny fifamatoran’ny fiombonana teo amin’ireo Anabavin’i Kristy.


Ny mazia an’i Patrizia, mpandrindra ny fivoriana, dia nahay nanaitra ireo mpandray anjara, ny faniriana hiroso mankany amin’ny ho avy miaraka amin’ny fanantenana.
Ny fahalalaham-pitenenana sy ny fihainoana amim-panajana dia taratry ny fahatokisan-tena sy ny fahalianan’ireo rahavavy tsirairay mba handray anjara amin’ny voam-pasika mba hahatratrarana ny tanjon’ilay fivoriana.
Nanjaka ny hetsika ara-panahy sy ny fahatokiana fa ny Tompo no nandray ny familiana mba hitarika ny sambo. Iza no afaka misalasala izany? Rahavavy avy amin’ny taranaka samihafa, kolontsaina, firenena ary kaontinanta samihafa izay ny toe-tsain’ny maha-mpikambana ao amin’ny « Vatana-Fikambanana » tokana ihany no nitarika azy ireo handeha ho any amin’ny tena ilaina. Izany Zava-dehibe izany día nitarika azy ireo ho amin’ny traikefa lalina amin’ny fandaozana tanteraka ny tenany, ho amin’ny fanantenana ho avy mampanantena ho an’ny fikambanana.

Feno fankasitrahana aho mizara ity traikefa ity, satria mpandika teny, nanatri-maso ity Filankevitra Itarina ity aho ary afaka nahatsapa “ny fanehoana ny fitiavana izay mampiray antsika amin’i Kristy… ary ny fandraisantsika anjara vonjimaika amin’ny iraka ampanaovin’ny Ray:
« MBA HANANGONA NY ZANAK’ANDRIAMANITRA MIELY PATRANA (Jn 11, 52) SY HANOKANA NY ZAVABOARY VAOVAO. » (C4)
Rahavavy María Luisa, Kominaoten’ i London
(Tany am-boalohany tamin’ny teny Espaniola)

