FRANTSA : Masera Marie Claire — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

FRANTSA : Masera Marie Claire

Mampihavana

Mampihavana : Fivoahana ihany koa amin’ny fitokana-monina, manampy hanana fiainana eo amin’ny fiaraha-monina

Ny faharefoana, tso-drano ?

Taorian’ny 14 taona nanaovana asa an-tsitra-po tany Toulouse, dia 4 taona izao no nanoizako izany eto Lyon mampianatra soratra ho an’ny jamba, olona 23 hatramin’ny 81 taona. Tsy mahita izy ireo noho ny aretina, indraindray noho ny taona. Misy ireo izay nanana tantaram-piainana sarotra ary ho an’ny maro dia dingana mafy iainana ny lasa jamba.

Mihoatra ny fianarana ny fotoana voalohany satria toerana ifanakalozana sy ifampizazana, ho an’ny maro ny soratra ho an’ny jamba dia fiampitana amin’ny tontolon’ireo tsy mahita, noho izany misy fikomiana, tahotra. Mila faharetana, manaja ny toerana misy sy ny tantaran’ny tsirairay satria raha tsy ekena ny kilema dia tsy ho afaka hiditra amin’ny fianarana.  Ny traikefako manokana amin’ny tsy fahitako dia tombony ho ahy hahazo misimisy kokoa izay iainan’ireo « mpianatro ». Matetika manomboka amin’ny resaka mahasoa ny fampianarako alohan’ny asa. Mandritra io fotoana ifanakalozana io apetrapetraka ny momba ny kilema sy ny fahasoratana ara-psikôlôjika atrehana andavanandro. Misy ireo dingana sarotra kokoa ary mila fotoana mba hihoarana ny manahirana fa rehefa avy eo dia endrey ny hafaliana tafita : faly amin’ny vitany ny mpianatra, afaka mioitra ary mahita indray fahatokisana.


Mampianatra ny soratra ho an’ny jamba an’ireo mahiratra ihany koa  aho satria te-hanampy ny hafa izy ireo : ohatra ity mpampianatra maniry ny hampianatra olona tsy mahita ity.
Traikefa tena tsara ho an’ny fifandraisana ny fampianarana soratra ho an’ny jamba, ny dingana tsirairay dia samy hafa.

Masera Marie Claire


Tena migaga ireo olona manana sitra-po miavaka aho.
Tena hery velona !