FRANTSA "Prieuré Saint Thomas" : manatontosa ireo asa ilaina / mitsinjo mialoha ny ho avin’ny zaridaina midadasika mirefy 4ha — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

FRANTSA "Prieuré Saint Thomas" : manatontosa ireo asa ilaina / mitsinjo mialoha ny ho avin’ny zaridaina midadasika mirefy 4ha

Roseraie Prieuré Saint Thomas - Epernon (Frantsa)

Prieuré Saint Thomas, trano fandraisana olona sy ivon-toerana ho an’ny ara-panahy n’ny Soeurs du Christ (FRANTSA). Nanaovana asa goavana ny 2005 fa mbola be no tsy vita indrindra mikasika ireo trano tranainy andraisana olona sahirana. Mamparefo ny fijerena ny ho avy ny fahavitsian’ny olona tonga vokatry ny valanaretina covid

Nanaovana asa goavana ny Prieuré St Thomas  hatramin’ny  taona 2005 mba hampanaraham-penitre ireo trano andraisana olona avy any ivelany. Na izany aza  dia mbola misy ireo trano tranainy fandraisana olona sahirana mila fanatsarana : fanoloana varavarankely, trano fidiovana ho an’ny efitrano tsirairay…

Omena lanja kokoa ny zaridaina, kolokoloina mba hanavaozana azy sy hampaharitra azy .

Ohatra amin’ny fikojakojana azy jerena mialoha mba tsy hikapana tampoka ireo hazo satria mety hitera-doza.
Fomba iray ihany koa ikolokoloana ny « trano iombonana » mba hahafahan’ireo mpamangy ny Prieuré migoka ny hakanton’ny toerana izay manambara an’Andriamanitra.

 

Mba iatrehana an’io dingana io dia niantso manam-pahaizana manokana mikasika ny zaridaina izahay ka nanolotra vinavina mba

  • hijery akaiky ny toerana ary manasokajy ireo hazo
  • hifanakalo hevitra amin’ny orinasa mpikarakara ny zaridaina ankehitriny
  • hizara ny zavatra hita sy ny takiany amin’ny vondron’olona mitantana ny tanàna ka mamaritra ny paikady sy ny asa hatao

Mety hiteraka tetikasa hafa io : ohatra,  manao fampisehoana ireo karazana hazo hita ao mba hampahafantarina ireo mpitsidika, vohaina malalaka ho an’ny olon-drehetra indraindray…

Mitentina  12 384 000 Ar eo ho eo io tetikasa io.