Ny maha-mpanompon'ny Fanantenana dia tena mivaingana sy mora — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Ny maha-mpanompon'ny Fanantenana dia tena mivaingana sy mora

Sœur Josyane, parmi les bénévoles de la Caritas

Ny fanohanana ny tsiron'ny fiainana dia ny finoana fa azo atao ny mizara izany

Any Roma, mihetsika ireo mpilatsaka an-tsitrapoan’ny Caritas!

Maro loatra ny olona miaina ao anatin'ny toe-javatra sarotra amin'izao fotoana izao. Mihinana, mandio tena... Zary lasa fahasahirana  izay mampihena  ny tsiron’ ny fiainana!

Noho izany, samy mamaly ny antso ny tanora sy ny antitra rehefa tsy maintsy manangona sakafo sy vokatra fandiovana  eo am-pivoahan'ny toeram-pivarotana.

Ny fanohanana ny tsiron'ny fiainana, ny maha-mpanompon'ny Fanantenana, dia tena mivaingana sy mora: día ny finoana fa azo atao ny mizara!

Manolotra harona plastika mavokely tsara tarehy izahay ary miteny hoe: "Raha tianao, azonao atao ny mametraka sakafo na savony ao anatiny, ary avelanao miaraka aminay eo am-pivoahana izany!"

Manantena izahay fa ny fangatahanay dia hanana akony ary ... tsy diso fanantenana izahay! Amin'ny fiafaran'ny andro, mihoatra noho izay antenainay ny fanangonana: fanomezana - eny, fa mihoatra lavitra noho izany - fihaonana amin'ny maha-olombelona amin'ny olona maro izay manaiky handray anjara!

"Ity izao tontolo izao ity no fahagagana voalohany nataon'Andriamanitra, ary napetrak'Andriamanitra eo am-pelatanantsika ny fahasoavan'ny fahagagana vaovao.  (Papa François)

Masera Josyane, komoniten'i Roma