Fanomezana iraka ad-extra, 2025
Fanomezana iraka ad-extra, 2025
Taorian’ny roa taonan’ny dingana lava nikarakraba ny taratasy sy nanampiany ny ankohonampirahavavy maro teto Madagasikara sy telo volana teto paris tao amin’ny juniorat, dia tonga any amin’ny akohonampiaraha-monin’ny mpirahavavy la Florida any Santiago any Chile i Masera Odette RASOARIMALALA.
Tonga soa aman-tsara tany amin’ny ankohonampiarahaa-monia any Sittingbourne, angleterre i sœur Marie-Clémence RAVAONIRIANA.
Tafaverina antanindrazana any Madagasikara i Masera Monique SAMAT, taorian’ny fotoana nah-ateto eoropa frantsa. azy. Misaotra azy izahay noho ny fanompoany tsy misy fetra tato amin’ny farita Eoropa ary miara-mivavaka sy miara-mankasitraka azy anaty fitiavana.

“Tompo ô,
Ampianaro aho hiala,
Ampianaro aho fa tsy misy fahasambarana lehibe kokoa noho ny mandao ho any an-kafa.
Ampianaro aho ho sahy fanombohana vaovao.
Ampianaro ahy ny fisarahana manome toerana ho amin'ny fahatsorana, ny fisarahana manokatra ny fo.
Tompo ô, ampianaro aho handao ny zavatra rehetra hanaraka Anao.”
François Denis
