KAMERONA : « Raha misy roa na telo mivory amin’ny anarako dia eo afovoany aho » — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

KAMERONA : « Raha misy roa na telo mivory amin’ny anarako dia eo afovoany aho »

Tena zava-dehibe ny mahita indray ny fisian’ny Tompo...

... indrindra amin’ny fiainana andavanandro mandalo zava-tsarotra, tsy fifankahazoana, izay manamaloka ny làlan’ny fiainana.

Ny kôminôte nay eto  Yaounde dia mifampizara ny Evanjelin’ny alahady isaky ny sabotsy hariva amin’ny 6 ora sy 35. Manampy anay io fotoana io hiditra lalina amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny namana.

Ahafahanay ihany koa mampihatra ny fihainoana araka ny maha mpirahavavy sy mitombo amin’ny fahatokisana an’Andriamanitra, ny tenanao ary ny hafa. Mampanankarena anay satria manampy hijery amin’ny fomba hafa ny fiainana andavanandro, mandray amin’ny fomba samihafa araka ny fanehoan-kevitra na fiheverana. Mitady miaraka ny hoe ahoana no androsoana miaraka sy miaraka amin’ny hafa hikatsaka ny  fiombonana. Ny fifampizarana ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny kôminôte mampitodika anay indray amin’ny fiainana maha olom-boatokana ao amin’ny Fiangonana.

Fotoana anovozana fiombonana, hafaliana, firindrana ary mitondra ho anay fanalana alahelo, fiadanana sy fahendrena

Ny Vaovao Mahafaly dia Fahazavana mitarika ny dianay amin’ny fanarahana an’i Kristy.

Kôminôten’i Yaoundé