Fankalazana ny faha 25 taona ny fiainana maha relijiozy an’i masera María Elena — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Fankalazana ny faha 25 taona ny fiainana maha relijiozy an’i masera María Elena

Ny Delegasionan’i Chili mankalaza ity hetsika fankasitranana ity miaraka amin’ny Fiangonana

Ny Delegasionan’i Chili mankalaza izao hetsika fankasitrahana izao miaraka amin’ny Fiangonana, ato amin’ny paroasn’i Graneros, ny alahady 23 aogositra 2026!

“… ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka azy.” (Lk 5,11)

Tamin’ny 11:30 ora tamin’io alahady io, ny mpino día niangona tao amin’ny paroasy "Nuestra Señora del Carmen" tao Graneros mba hiaina fotoana manokana. Tamin’ity fotoana ity, nosokafana ny Varavarana Masina, notarihin’ny mpiandry ondry, Monsenera Guillermo Vera, izay notronin’ny pretra lehiben’ny paroasy Alejandro Jorquera.

 

Tamim-pifaliana, finoana ary toe-tsainam-pirahalahiana no nidiran’ny mpino milahatra tao an-tempoly mba handray anjara amin’ny fankalazana ny sorona masina hisaorana an’ Andriamanitra noho ny 25 taonan’ ny fiainana maha relijiozy an’ny maserantsika María Elena.

 

Fijoroana ho vavolombelona feno fankasitrahana: “Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ireo 25 taona ny fiainana maha voatokana. Izay rehetra niainako día fanomezana avy amin’ny fitiavany sy ny famindram-pony tsy misy fetra. Ireo ray aman-dreniko día nampianatra anay ny fitiavana an’Andriamanitra ary nampiditra ny finoana katolika taminay hatramin’ny fahakely. Androany, día mahafaly hay tokoa ny fanatrehan’ireo fianakaviako, misaotra anareo aho amin’ny maha eto anareo sy ny fahafahanareo mizara ity fotoana manan-danja ity.”

 

Teo am-pahatsiarovana ny fiandohan’ny fiantsoany, masera María Elena día nizara:

“Ny zavatra nisarika ny saiko tamin-dry masera día ny fahatsoran’ny fiainany sy ny maha akaiky azy ireo, ary koa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fikambanana. Izany día nanampy hay hiditra amin’ny fiainana-drelijiozy”.

Ho marikin`ny tsy fivadiana amin’izy Tompo ary ho fankasitrahana noho izao 25 taon’ny fiainana voatokana izao, masera María Elena día nanavao ny toky nomeny teo anatrehan’ny eveka, Mons. Guillermo Vera, manankina indray ny fiainany sy ny asam-panompoana an’Andriamanitra sy ny Fiangonana izy.

Nitohy ny hafaliana noho ity 25 taona ity niaraka tamin’ny sakafo ara-pirahalahiana, izay nandraisan’ny fianakavian’i María elena anjara, ireo mpiara miaina ny fanomezam-pahasoavana sy ny maseran’ny Delegasionan’i Chili. Fotoana kanto nifampizarana, nankalazana ary nisaorana niaraka ity lalam-piainana voatokana ity.

 

Misaotra, Tompo, noho ireto 25 taona ireto. Misaotra tamin’ny niantsoanao ahy, nanohananao ahy ary ny nitantananao ahy.

Narahina rivo-piainana feno fifaliana ny fihaonana, nentanin’ireo masera fransiskana, namana, izay nandray anjara akaiky an-kafaliana mba ho andro tokana ity fotoana ity.

 

Maseran’i Kristy, delegasionan’i Chili

(espaniola tany am-boalohany)