FANDALOVAN’I RAHAVAVY ARMELLE RASOARIVELO TATY REQUEGUA 1996 - 2011
Fankalazana ny fanaovam-beloma nataon'i Requegua ho an’i rahavavy Armelle
Avy aty REQUEGUA, ao amin'ny kaominin'i San Vicente de Tagua Tagua ao amin'ny faritra afovoan'i Chili, dia tianay ny haneho ny fihetseham-ponay lalina noho ny fihalasanan'i Rahavavy ARMELLE RASOARIVELO ho any an-Tranon'ny Ray, misionera malagasy, mangataka ny fialatsasatry ny fanahiny mandrakizay sy ny fiononana ho an'ny fianakaviany eto Madagasikara sy ho an'ny Fikambanan'ny Maseran'i Kristy.
Rahavavy Armelle día tonga tao an-tanànan'i Requegua tamin'ny 16 martsa 1996 niaraka tamin'i Rahavavy Marie Thérèse Roudier sy Delfina Miranda. Niara-nanangana ity ankohonam-piainana vaovao ity izy ireo, miaraka amin'ny iraka vaovao nankinina lehibe provincialy tamin'izy ireo tamin'izany fotoana izany, Rahavavy Marie José Toudic.
Tonga tao Requegua ireo Rahavavy mba hamelona ity vondrom-piarahamonina ity sy ireo vondrom-piarahamonina manodidina. Ny misterin'i Kristy no fototra sy ivon'ny karisma eo amin'ny fiainana sy ny iraka ampanaovina azy ireo, mamafy finoana izy ireo, ny toe-tsaina manompo ary ny fanantenana ao amin'ireo vondrom-piarahamonina samihafa manerana izao tontolo izao izay misy azy ireo. Tao anatin'izany toe-tsaina izany no nanombohan'ny Rahavavy Armelle, izay vetivety dia nandray anjara tamin'ny Fiarahamonina, ny asany pastoraly teto tamin'ny asany ho mpampianatra fivavahana tao amin'ny Sekolin'i Requegua. Niaraka tamin'ny asa fampianarana nataony dia nanomboka nahafantatra ny Vondrom-piarahamonina izy tamin'ny alalan'ny fanatonana ireo vondrona apostolika efa misy ary nampahafantatra tsikelikely ny tenany tamin'ny asa pastoraly tao amin'ny paroasy.

Ny asa tao amin'ny sekoly tao amin'io faritra io dia nanampy azy hahafantatra ny ankizy ary avy eo handamina ny "Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora" (FET) ao amin'ny vondrom-piarahamoninay, hetsika iray izay manasa ny ankizy sy ny tanora mba "Hiaina amin'ny Lalan'i Jesoa" miaraka amin'ny Eokaristia ho ivon'izany. Nahomby tokoa io hetsika io ka nandrisika ny ankizy sy ny tanora hanatona ny Fiangonana ary nanome azy ireo fahafahana handray anjara amin'ny fivoriana nasionalin'ny hetsika mihitsy aza.
Taorian'ny fametrahana ny trano fandraisam-bahiny "Hogar de Cristo" tao San Vicente, dia niandraikitra ny fitoriana ny filazantsara ho an'ireo olona tonga ny hariva mba handany ny alina ao amin'ity trano ity i Rahalahy Armelle asa izay nahitana ny fifanakalozan-kevitra tamin'izy ireo, ny fihainoana azy ireo ary ny fanolorana teny fampaherezana manoloana ny fiainana mampalahelo tsy manan-kialofana izay niainan'ireo rahalahy sy anabavy ireo. Niara-nanomana ny Lamesa Masina indray mandeha izy rehefa nankalazaina tao amin'io toerana io.
Ny fitsidihana ny fianakaviana ao an-tanànanay no ivon'ny asa fitoriana nataony, nitsidika ny tranon'i Requegua isan'andro i Rahavavy Armelle, nanizingizina ny hihaino ny mpikambana ao amin'ny fianakaviana, indrindra fa ireo zokiolona izay nitondrany an'i Kristy tamin'ny komonio ihany koa.
Tsy isalasalana fa namela marika tsy hay fafana ny diany naharitra sy midadasika, nandritra ny fotoana niainany tao amin'ny Vondrom-piarahamonin'i Requegua; tsy sakana tamin'ny fanatonana ireo rehetra mila henoina ny diany lavabe namakivaky ireo arabe feno vovoka tao amin'ny faritra Cerro. Nisy fiantraikany lalina ireo fiaraha-mientana niarahana tamin'ny ankizy sy ny tanora izay hita taratra tamin'ny fandraisana anjaran'io ampahany amin'ny mponina io tamin'ireo fiaraha-mientana isan-karazany tao amin'ny Fiangonana.
Ankehitriny, taona maro aty aoriana, dia mbola mahatsiaro azy amin'ny fitiavana lehibe sy ny fankasitrahana manokana ny vondrom-piarahamonina noho ny fanoloran-tenany malala-tanana, indrindra ho an'ireo mahantra sy sahirana indrindra, izay nanome azy marika manokana tamin'ny fomba nanatonany an'i Kristy tamin'ireo rahalahiny sy anabaviny.
Amin'alahelo lalina no nanaovan'ny vondrom-piarahamonin'i Requegua veloma androany avy lavitra an’ny Maseran'i Kristy, ny misionera Malagasy iray tonga taty Chilidu Christ, ary ity vondrom-piarahamonin'i Requegua ity mba hiray hina ao amin'i Kristy. Mandria am-piadanana ry Rahavavy Armelle, handray anao anie i Jesoa Tompo mba hankafizanao fiainana feno miaraka amin'ny Ray.
Fijoroana ho vavolombelona nataon'i José Salas, mpiara-miombon’antoka, s yao amin’ny vondrom-piarahamonin’ny paroasy ao Requegua



