FRANTSA : Masera Marie Christine — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

FRANTSA : Masera Marie Christine

ampio hahita firindrana sy fiadanana anaty.

Mitantana matsom-panahy ‘safidim-piainana’,

dia voalohany indrindra mamaky  izay manentana ireo izay nanoratra ny hetahetany, ny fanontaniany. Eo anelanelan’ny  25 sy 38 taona ireo izay notantanako farany.  

Iza ireo tanora ireo ? Mpianatra na tanora efa miasa, matetika sanganehana eo amin’ny faniriana hanara-dia an’i Kristy sy ireo zavatra maro manodidina misarika azy. Fantany fa marefo izy ireo, mazàna mora resy lahatra, nefa koa malala-tànana, manontany tena ahoana no ampiasany ny talentany ho an’ny fanompoana ny fiaraha-miaina tsaratsara kokoa.

Tovolahy iray tamin’izy ireo manontany tena raha antsoin’ny Tompo amin’ny fanambadiana izy na amin’ny fanokanan-tena. Miahotra izy ny mijoro miaraka amin’ireo namany tsy miaina ny  finoany. « Mety ve izaho te hanome ny fiainako ohatra izany… tsy toy ny orin’asa misandratra ny Fiangonana, sa tsy izany masera ? »
Tovovavy iray hafa, taorianan’ny firotsahana an-tsitra-po amin’ny fanampiana olona nandritra ny 8 taona, mitady ny hahalala raha miantso azy amin’ny fiainan-drelijiozy apôstolika ny Tompo na amin’ny làlan’ny tokan-trano.

Tsy afaka ny hitantara ny rehetra aho fa izay manaitra ahy ihany, amin’ireo tanora izay tantanako ireo, ny fahatsorany, ny faniriany mafy ho  amin’ny sori-dàlam-piainana misy heviny. Matahotra izy ireo mazava loatra, ary hainy ny mitanisa ireo fa matoky ihany koa an’Andriamanitra sy ireo olona mitantana azy ka ahazoany fanampiana sy fandinihana ka mandresy ny tahotra.
 Ho ahy dia mila ny fomba  ihainoana ny Fanahy izay mitarika azy ireo sy mampiomana azy ireo amin’ireo ady hatrehina  rehefa mpianatra sy mpanompo.


ampio ireto tanora ireto hahita firindrana sy fiadanana anaty. Izany hoe, manampy azy ireo ho  « teraka sy hateraka indray ».