"Vaovaon'ny soeurs du Christ avy amin'ny Prôvinsy Chili hatramin'ny septambra 2015" — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

"Vaovaon'ny soeurs du Christ avy amin'ny Prôvinsy Chili hatramin'ny septambra 2015"

Fanambin’ny fiombonanan’ny lahika mikatroka ao amin’ny fianakaviana karismatika ao amin’ny Fiangonanay

1-¦ (copier).jpg

Ny asam-panirahan’ny Fiangonana dia ifampizarana, toy izany koa asam-panirahan’ny fiainana voatokana sy amin’ny maha- lahika. Ny vaomiera "Miaraka, mahomby kokoa isika" n’ny CONFERRE (Fivondronan’ny Relijiozy) dia nanatontosa ny Fihaonana Nasiônaly faha-II, lahika sy Relijiozy miaraka amin’ny olona 110 nandray anjara avy amin’ny faritra samihafa n’i Chili. Masera telo sy associés vitsivitsy avy amin’ny Fikambanantsika no nandray anjara tamin’izany.

Laudato Si'

2-¦ (copier).jpg                   3-¦ (copier).jpg

Atrik’asa faharoa mikasika ny Ansiklika “Laudato si” tao amin’ny toeran’ny CONFERRE.
Niainga tamin’ny famakiana ny Ansiklika no nanehoana ny lohahevitra hoe, “miala amin’ny ekôlôjia eritreretina ho amin’ny ekôlôjia iainana ”.
Izany dia nitarika anay hanontany tena raha ekôlôjika ny toerana iainantsika. Inona no afaka ataontsika ao amin’ny kôminôte sy ny vinavina apôstolika mba hikolokoloana ny trano iombonana ?

Fihaonana fandinihana nataon’ny associés n’ny Fikambanana mikasika ny "laudato si'"

5-¦ (copier).jpg                           4-¦ (copier).jpg

9º (1) (copier).jpg

Isan-taona, ny associés rehetra ato amin’ny provinsy dia mihaona miaraka amin’ny masera izay afaka mitantana azy ireo. Natao tamin’ny 7 nôvambra io fihaonana io tao amin’ny tranon’ny fransiskana ao San Francisco de Mostazal (61 km atsimon’i Santiago). Nandritra ny fankalazana ny famaranana ny andro no nanavaozan’ny associés ny famehezan-tenan’izy ireo.

Fivahinianana masina niaraka tamin’ny tanora

pélérinage avec les jeunes 2 (copier).jpg

Ny 17 Oktôbra , no natao ny fivahinianan’ny tanora, 27 km. hatrany amin’ny toeram-pivahinianana Santa Teresita de Los Andes. Masera enina avy amin’ny Prôvinsy no niaraka tamin’izy ireo.