Rio de Janeiro — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Rio de Janeiro

Nandray anjara tamin'ny Fihaonam-Ben'ny Tanora Eran-tany tany Rio de Janeiro Masera Emma. Nisidina ho any Brezila izy ny 19 jolay.

Tanora mahery ny 5000 avy ao Chili no niondrana am-piaramanidina na am-piarakodia hamonjy ny fihaonana amin’ny Papa Fransoa. Talohan’ny fanombohana io tranga mampitolagaga io, ny alahady 7 jolay dia nandray anjara tamin’ny sorona masina fanirahana tao amin’ny Katedraly “Métropolitaine” izy ireo.

Emma, fijoroana ho vavolombelona

Tena andram-piainana mirakitra haren-dehibe tokoa ho ahy; nanampy betsaka ahy ny fandraisan’ny firenena, sy ireo mponina ao Riô ary ireo mpivahiny. Rivo-piainana feno fitokisana lalina sy fifanajana amin’izay samy izahay mpivahiny no nitondra anay tamin’ny fivavahana .
Tena tsapako navesa-danja ny fisian’Andriamanitra raha vao nandao an’i « Chili » aho, tao anaty fiaramanidina, mpivahiny avy amin’ny firenena samihafan’ny Amerika atsimo izahay. Nifampizara tamin’ny olona maro aho tao Brezila : relijiozy avy amin’ny Fikambanana samihafa, tanora avy amin’ny firenena samihafa anisan’izany Madagasikara.

Misaotra an’Andriamanitra sy ny Fikambanana izay nanome ahy ny fahafahana hiaina iny fihaonam-ben’ny tanora iny aho. Ny tenin’ny Papa tamin’ny lamesa fanirahana no mitoetra ato amiko :

« Mandehana tsy amin-tahotra mba hanompo ».
 

6. envío jmj foto 6 bis.jpg

rio.jpg