Mission en Chiloé
Naharitra adiny 20 mahery ny faharetan`ny dianay tamin`ny fiara be (Bus) hahatongavana tao Quellón, fa indrindra amin`ny toerana antsoina hoe Curanué (koranoé), iray amin`ireo toerana faran`ny lavitra ao amin`ny nosy. Ho ahy ny rehetra dia "aventure", hatreo Temuco ihany no farany atsimo fantatro fa tamin`ity fandehanana indray mandeha ity dia nijanona tao Osorno izahay, Puerto Montt ary namakivaky ny reniranon`i Chacao tamin`ny sambo antsoina hoe "transbordador". Natrehanay avy eo amin`ny sambo ny faritra avaratry ny nosy Chiloé, ary ny amin`ny sisiny ankavanana sy ankavia dia ny "Golfe de Ancud sy Corcovado". Nandritra ny fandehanana tamin`ny sambo de nivoaka ny fiara izahay ary nitsangatsangana tao anatiny. Ny andro rahateo koa tsara na dia mafy be aza ny fitsoky ny rivotra.
Tonga tao amin`ny faritr`i Quellón izahay, tao amin`ny tanàna antsoina hoe Curanué, izay efa niandrasana anay. Ny mpivahiny tsirairay dia samy nanana ny fianakaviana nandray azy. Ny andro manaraka dia nanomboka avy hatrany ny famangiana isan-tokan- trano, ny fampianarana bailboly ho an`ny olon-dehibe, ary "activitéssamihafa ho an`ny ankizy sy ny tanora isan-kariva. Ireo no nataonay isan`andro nandritra ireo fotoana nijanonanay tany.

Nanao fandinihana masina teny amoron-dranomasina izahay indray tolakandro, izay fotoam-pivavahana nahafinaritra sy fifampizarana ny tenin`Andriamanitra. Nandray anjara koa tamin`ny alim-bavaka nokarakarain`ny fiangonana tao amin`ny faritra hafa atao hoe Auchac ka nanasany anay.
Voaasa handray anjara tamin`ny fety fitadiavam-bolan`ny fiangonana izay nahitana ireo sakafo mampalaza ny toerana antsoina hoe: "chapalele, milcao, chochoca, cazuela chilota, asado de cordero (tono ondry), etc. Ary tao amin`ny fianakaviana nipetrahako dia nanomana "curanto al hoyo": karazan-tsakafo maro andrahoina anaty tany voalavaka miaraka amin`ny vato, dia samy mihinana eo ny olona rehetra efa ho dimapolo. Sakafo zany!!
Indray andro talohan`ny hiverenana, nanao ny jery todikin`ny fanirahana (evaluation) izahay, tany amin`ny nosy hafa antsoina hoe"Achao", mandeha adiny roa amin`ny fiara sy amin`ny sambo miala eo Castro (renivohitr i Chiloé), any no ahitana ny fiangonana antitra indrindra ao amin`ilay nosy.
Ho ahy, dia "Mission" nanana ny endriny manokana iny, nandraisako fianarana sy fitiavana be dia be avy amin`izy ireo.
Emma

