KÔMINOTE Mahandraza-Tsiroanomandidy-Andranobe
Fambolena
Toy izao ary ny fomba fiasa mba ahazoana vokatra tsara:
Karakaraina dieny mialoha ny zezika (compost) farafaha tarany ny volana janoary.
Ireto no singa tsy maintsy ilaina hoan’ny compost:
• Ahitra maitso
• Sira araka izay tiana
• Tain’omby
Avela hiotrika miaraka ireo mba ho lo ary avadika in-telo mandrapahatongan’ny fotoam-pambolena
Tsy asiana tany be loatra
Tondrahana isaky izay maina
Ny fotoam-pafazana: ny herinandro farany amin’ny volana oktobra ka hatramin’ny volana desambra.
Ny zezika ihany no antoky ny fahatsaran’ny fambolena ka toy izao ny fatra ilaina raha hamboly saoza , tsaramaso ary katsaka:
• Saoza: iray Tanana
• Tsaramaso: roa Tanana
• Katsaka: efatra Tanana
Tamin’ity taom-piotazana ity dia tena tsara tokoa ny vokatra ary mampisaotra an’Andriamanitra izany.
Fiompiana
Ireo tsara ho fantatra raha hiompy omby vavy be ronono:
• Fahaizana misafidy ireo karazan’omby tsara: be tohana, ratsa-nono ara-dalana sady ngeza
• Kajiana tsara ny tranon’omby mba ho azo antoka ny fiarovana azy amin’ny hafanana ny hatsika ary ny orana.
• Fanaraha-maso tsara ny fikarakarana azy.
Ny sakafony:
• Vilo-maintso amin’ny vanim-potoan’ny orana (indroa isan’andro, maraina sy hariva)
• Foin - ana avoine amin’ny vanim-potoan’ny main’andro (in-droa isan’andro, maraina sy hariva)
• Drèche: 4kg isan’andro
• Provende 1kg isan’andro
• Rano: izay laniny
Ny traikefa izay anananay dia tsy koboninay hoanay samy irery fa zarainay koa amin’ireo mpiara-monina aminay. Eo am-pahitana ny firoborobon’ny fiompiana sy ny fambolena izay sahaninay tokoa manko dia taitra ireo manodidina ka tonga mangataka torohevitra. Am-pitiavana no ampianaranay azy ireo mba hamokatra koa izay hisasarany.
Ankoatry ny fambolena sy fiompiana ombyvavy be ronono dia manamboatra “fromage “ koa izahay. Betsaka ny lalam-barotra amin’io. Izany no mahomby dia miankina indrindra amin’ny vina (projet) ataonay mialohan’ny hanomboanay sehatr’asa iray. Eo indrindra koa ny fifanomezan-tanana sy fiaraha-misalahy ato amin’ny kôminôte.
Misy ireo olona maka “fromage aminay no milaza fa ny tombony azony dia ahafahany miantoka saram-pianarana hoan’ny tanora telo.
Izany fahombiazana izany dia mamporisika anay hanao vina “projet” hanatsara ny tranon-kisoa amin’ity taona 2013 ity; lavitr’ezaka ihany moa io vina io satria mitaky fandaniana maromaro.
Eto am-pamaranana ny fifampizarana dia mahafaly anay koa ny manolotra fisaorana hoanareo amin’ny fanampiana ataonareo anay amin’ny fampandehanana ny asa eto Andranobe, Mahandraza ary Tsiroanomandidy.Tolorana fisaorana manokana ny kôminôte tsirairay ami’izany.
