FIVANIANANA MASINA TANY AMIN'NY MB TERESA DE LOS ANDES
Ny sabotsy 20 oktobra, tanora maherin'ny 75000 no namakivaky ny lalana mirefy 27 km hatreo amin'ny moron-tsirak'i Chacabuco tonga any amin'ny toeram-pivanianana Mb Tersa de Los Andes.
Misy fijanonana 12 teny an-dalana, izay samy maneho lohahevitra mandrisika ny tanora hitozo hatramin’ny farany tamin’ny dia amin’ny maha ratsam-batan’ny Fiangonana iray, izay mitolona ho an'ny" Fahamarinana sy Fitoviana " sy mizaka ny " Fahasamihafana ara-kolo-tsaina"...
Ny toeram-piantsonana farany dia ny toeram-pivanianana Mb Teresa de Los Andes, toerana nanatotosana ny Sorona Masina notarihin'i Arsevekan'i Santiago, Monsenera Ricardo Ezzati, fankalazana niaraka tamin’ireo mpivahiny ny fetin'ny finoan’ny tanora siliana.



