Fihaonan'ny Soeurs du Christ, Provinsin'i Chili, ny 8 janoary 2013 — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Fihaonan'ny Soeurs du Christ, Provinsin'i Chili, ny 8 janoary 2013

Nandritra ny taona, nasaina hifidy tao amin'ny Evanjely, izay lahateny manampy azy handalina ny toetran'i Jesoa amin'ny rehetra, indrindra ny fifaneraserana amin'ny hafa sy ny fifanampiana ny masera.

Tany amin’ny kôminôte no nanaovan-dry masera « lectio divina » ireo lahateny voafidy.
Ho an’ny fihaonana, nasaina nanao “stand” hampahafantarana ny vokatry ny “lectio divina” tany aminy ny kôminôte tsirairay avy.
Ny masera tsirairay avy nandray “briky 2” nanoratany izay mampihaina azy amin’ny maha-soeur du Christ azy, izay nahasarika ny fisainany teo amin’ny fifampizarana nandritra ny andro, antso vaovao reny na firotsahana…
Rehefa avy namaky tamin’ny feo avo izay nosoratany teo amin’ny briky ry masera, dia nametaka izany teo amin’ny sarin’ny “trano” izay manambara ny maha an’ny Fikambanana antsika, ao amin’ny Provinsy, ao amin’ny kôminôte izay ananan’ny masera tsirairay avy ny toerany sy andraisany anjara mavitrika amin’ny fanorenana azy amin’ny alalan’izay entiny amin’ny maha-izy azy manokana.
 

026.jpg

 

024.jpg

• Maser Violette nanaraka tsara ny famakafakana ny lahateny nataon’ny kôminôte-n’I Puente Alto,

030.jpg

• Ampahany iray amin’ny “ampahabemaso” nandritra ny fanehoana ny lahatenin’ny Evanjely tamin’ny alalan’ny “marionettes” nataon’ny kôminôte-n’ I la Florida.

053.jpg