COMMUNAUTÉ DE GRANEROS — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

COMMUNAUTÉ DE GRANEROS

Tonga teto Graneros ny 07 mars 2015 ny Soeurs du Crist, masera 4 mirahavavy no miombom-piainana ao amin´ny Communauté ny Graneros: María de los Angeles Mirella, Maria Elena, Nirina
Nahafinaritra ny famdraisana , narahina sakafom-pianakaviana zay nomanin´ny, zobavin'i Masera Maria Elena Vega

Naharitra andro maromaromaro ihany ny fandaminana sy ny fandiovana ny trano ary ny manodidina mba ho toerana mahafinaritra , mahasarika ary mendrika handraisana sy hijoroana ho vavolombelona amin' ireo rehetra zay tonga mamangy.
Ny 11 mars 2015, tonga nitsidika ny Communauté ny Eveka mitondra ny Diosezy Sainte Croix de Rancagua Alejandro Goic, nametraka sy nanolotra ireo antontan-taratasy rehetra momba fizotran'ny pastoraly eto amin´ny Diosezy. Toy izao avy zany :
 Taona pastoraly 2015 ,miaraka aminy fankalazana ny faha 90 taona ny nanorenana ny fiangonana Diosezana
 Fampiharana ny Vinavinam-piainana ny sinoda faharoa Diosezana 2014
 Faniriana ny fiangonana Mivelona ny Eokarstia , ny firahalahiana (tsy misaramianakavy ), mivelatra sy misokatra amin´ny asam-panirahana
 Fandalinana ny soridalana izay atolotry ny Papa Ray Masina
Ny 24 mars 2015, nihaona tamin'ny Eveka ny lohandohan´ny mpisorona teto amin'ny Fiangonana, nisy 10 ny mpandray anjara: ny Pretra tompom-paritany sy ny mpanampy azy, masera 2 ny Redemptorista, Diakra iray, seminarista 1, soeurs du Crist 4 mirahavavy.

visite de l´évèque cté de granerosbis.jpg

Nandritra ny fihaonana no nanazavan´ny Eveka amin´ny ankambobeny ny mombamomba ny Paroasy Notre Dame du Carmen sy ny endrika fitoriana ny vaovao mahafaly,indrindra eo aminy'ireo faritra 13 eto paroasy misy ireo ankizy madinika malemy tsy misy mpiahy
Nohatitrateriny tamin'izany koa ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-mivavaka.
Ny 12 Aprily 2015, Lamesa lehibe notarihin´ny Eveka: fametrahana ny pretra Tompom-paritany sy ireo Masera hiara-miasa aminy
Amin'izao fotoana zao dia efa manomboka ny taompikatrohana eto Graneros ny Soeurs du Crist , izy 4 mirahavavy no mamaky lay , mandray anjara amin´ny lamesa, fitsidihana isan-toka-trano miombona alahelo amin'ireo zay hidonampahoriana, mifampizara na ankasoavana na an-karatsiana amin'ireo manodidina sy mpiara monina .


cté . devant l´eglise de graneros bis.jpg