COMMUNAUTE D'ANDONAKAizay atao koa hoe AMBINANIROA
Soeurs du Christ 6 no miasa ao
Sœur Noëlla izay tomponandraikitry ny ankohonampiainana dia miasa ao amin’ny dispensera. Ny olona tonga ao aminy dia ireo mahantra , indrindra ireo tsy afaka mandoha vola any amin’ny toeram-pitsaboana iandraiketan’ny fanjakana ; Tamin’ity taona 2013 ity dia nahatratra 1381 ny marary tonga nitsabo tena tao .
Sœur Bénédicte Noro dia manao asa pastoraly. Saika manao ny androatokon’ny asan’ny pretra izy satria mbola tsy manana pretra ny paroisy hatramin’ny nahafatesan’ny pretrany . Fiadidiana telo no iasany ka mahatratra 35 ka hatramin’ny 150 km ny fandehanana ataony miala et Andonaka manatratra ireo fiadidiana ireo.
Sœurs Josiane, Kolejy Nativité Notre Dame, Françoise Romaine, Clarisse vonjy, ary Sylvie Fara miasa an-tsekoly. Ny Kolejy Nativité Notre dame dia nisokatra tamin’ny 1999 niaraka amin’ny ankizy 99, amin’nizao fotoana dia mahatratra 1142 ny mpianatra hatramin’ny maternelle petite section ka hatramin’ny 3ème. Tena marisika amin’ny fampianaran-janaka ny Ray aman-dreny ao satria miady amin’ny tsy fahaza-taratasy iatrehana ny fanambakana ataon’ny mpanambaka matetika.
Amin’ny ankapobeny, ny asa fanirahana dia misetra olana ny fitoriana ny vaovao mahafaly amin’ny fifanoherany amin’ny fomba amam-panaon’ ny foko isan-karazany.
