ANDRANA FANARAHAMBOLONTANY ETO MADAGASCAR — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

ANDRANA FANARAHAMBOLONTANY ETO MADAGASCAR

Anne Marie, tanora frantsay no mitantara ny diany voalohany eto Madagasikara, ao amin'ny Communauté iray-Soeurs du Christ.

Taorian’ny fandalovako tao Antananarivo dia eto amin’ny Communauté Andranobe aho no mipetraka, 10 km avaratra andrefan’Antsirabe. Toeram-piompiana sy fambolen-dry Masera, izay somary mihataka ny renivohitr’Antsirabe. Vita amin’ny biriky ny trano,izay hita any amin’ny faran’ny làlana voahodidina raozy, misy trano heva, tranon’omby ary siniben-drano ao ambadiky ny rindrin’ny trano, izay voatsatotsatoka hazo hiaro ny tanàna.

image1 (2).jpg

 

image2.jpg

Ivelan’ny tanàna dia mirefy 10 hektara ny tany volen-dry Masera ao Andranobe. Katsaka sy vary, soja, tsaramaso no ambolena ao, ary voadidina kesika hanaovana asa-tànana sy kitay any aoriana any.
Ao anatiny kosa, zaridaina lehibe misy karazan-kazo fihinam-boa, izay ampy tsara an-dry Masera sy ny mpiasa ao. 5 ny Masera ao, ka ny 2 no vaovao tonga niaraka tamiko. Nahafapo sy tsy noeritreretiko mihitsy ny fandraisan’izy ireo ahy, izay mahavelom-pisaorana ahy azy ireo satria tena nanampy ahy ho tamana tsara.
Mbola voafetra aloha ny asako hatreto satria manahy ry masera hoe sao vizana aho. Amin’izao dia lasa ny ririnina sy ny haitany, efa ao anatin’ ny fotoam-pahavaratra, vita ihany koa ny asan-tany fa efa maniry kosa ny tsaramaso sy katsaka. Akoatry ny asa eny an-tsaha dia eo koa ny fikarakarana biby fiompy : misy 20 eo ho eo ny ombivavy be ronono sy kisoa, akoho ary misy osy vitsivitsy.Tànana no iterena ny ronono izay havadika ho fromazy amidy eny amin’ny renivohitr’Antsirabe. Akoatr’izany de mampianatra frantsay adiny iray isanandro ny mpiasa mijanona an-trano aho.
image3.jpg

 

image4.jpg

 

Hatreto dia faly aho amin’ny andrana ataoko aty ary tsy andriko mihitsy ny hahita zava-baovao hafa amin’ny fotoana manaraka.
Anne Marie JOLIET, monina ao amin-dry Masera Andranobe-Sœurs du Christ